Other News

Fihinanana siramamy be loatra : mampahazo aina ny homamiadana ao amin’ny vatana

Fahazaran’ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao ny fihinanana siramamy. Mahasoa ny vatana izy io satria anisan’ny mamokatra angovo entin’ny vatana mi­asa. Anisan’ny mahatonga aretina homamiadana eo amin’ny vatana ihany koa anefa ny fihinanana azy be loatra. Nampidirina tao anatin’ny sakafon’ny olona tany Eoropa ny siramamy, taorian’ny taonjato faha-18. Akora fototra […]

FANTINA sy FINTINA

Nentin’ny FFKM am-bavaka ny fametrahana ny foiben-toeran’ny kandidà HVM ao Mahajanga, Rakotovao Rivo, ny alahady teo. Nivoitra fa natao hifaneraserana ny foibe ao amin’ny Quartier Manga sy ao Mahajangabe, ao amin’ny Magro. Niantso fifanomezan-tanana sy fanohanana ny kandidà tamin’izany. “Antsika jiaby Mahajanga”, hoy izy. Mitohy ny fitetezana ireo mpikambana ara-drazana […]

Jly Ravalomanana Richard: “Aoka hotandrovana hatrany ny fihavanana”

Notanterahina teny Ambo­himanga, ny faran’ny herinandro teo, ny fametrahana ho filoham-boninahitry ny Mpi­anatra ambaratonga ambony, mpiasa, mpandraharaha, maintimolaly, avy amin’ny faritanin’Antananarivo miray (Mafami), ny Jly Ravalo­manana Richard. Nambaran’ ny filohan’ny Antenimieran­doholona fa tokony hanana toe-tsaina miabo sy mandala ny firaisankina hatrany ireo mpikambana. “Aoka hotandrovana hatrany ny fihavanana. Tokony hialana […]

Tia vao !

  Niverina sa naverina ny marimarina kokoa ny hery manokana eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Raha nalaza « ratsy » tamin’ny ady toerana ny kolonely roa lahy, mpinamana, saingy nifamadika ny hery manokana na ny FIS tamin’ny tetezamita dia am-perinasa izany ny hery vonjy taitra manokana GFSI, izay efa nankalaza ny tsingerin-taonany […]

Justice et Paix: “Mpifaninana fa tsy mpifahavalo ny mpanao politika”

Nitondra hafatra momba ny fanaovana politika eto Madagasikara ny Justice et Paix. ”Mpifaninana fa tsy mpifahavalo ny mpanao politika”, hoy izy ireo. “Iangaviana ianareo mpanao politika mba hanana toe-tsaina mpifaninana fa tsy mpifahavalo. Satria samy milaza fa tia tanindrazana”. Io no anisan’ny hafatra nampitain’ny vaomieran’ny Justice et Paix eo anivon’ny […]