Ny sazy famaizana, ny fepetra hanamafisana ny fahitsiana amin’ny fandraisana mpiasa, ny fivezivezena, ny fisondrotana amin’ny asa… Anisan’ny fepetra hanamafisana ny fahitsian’ny mpiasam-panjakana ireo. Nisongadina izany tamin’ny fanohizana ny fakan-kevitra isan-dohahevitra tarihin’ny Komity mpamolavola ny paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) teny amin’ny Bianco Ambohibao, ny faran’ny herinandro teo. Manan-danja […]
Other News
Rugby – «Top 12 Mada»: Tsy nahatohitra ny Cosfa ny TFA Anatihazo
Nitohy teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Top 12 Mada”. Voahaja hatreto ny lojika, mbola manjaka sy misongadina hatrany ireo ekipa lehibe, anisan’izany ny Cosfa (Bebaoty) izay nandavo ny TFA Anatihazo (Pilo kely), tamin’ny isa 53 no ho 22. Noporofoin’ny […]
Karate – « Mada 2024 » : Haseho any Toliara ny hasin’ ny taranja karate
Hotanterahina any Toliara, ny 30 oktobra hatramin’ny 3 novambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Karaté, ho an’ny taona 2024. Tsy fifaninanana nasionaly ihany no hitranga amin’io fotoana io fa haseho izany “Art Martial Karaté-Do” izany, hampisongadinana ny hasin’ny taranja, araka ny fanazavan’ny filohan’ny FKM (Federasiona ny Karate-Do Malagasy), […]
DAKA AN-JORONY: sanatria toa angidina sy akoho
Hatramin’izao, tsy miala am-bavan’ny rehetra, indrindra ireo mpankafy baolina kitra, ny faharesen’ny Barea de Madagascar, tany Maroc farany teo. Ao ireo tsy te hiresaka izany intsony, ny sasany milaza ny ao am-pony satria ny alahelo tsy ambara havana, hono, zakan’ny tompony ihany. Ao koa nefa ireo mpamendrofendro, tsy momba ny […]
Basikety – “Road To Bal” : Raraka ny GNBC Madagasikara
Fandresena roa sy faharesena roa no vokatra azon’ny GNBC Madagasikara tamin’ity fifaninanana “Road to ball”, taranja basikety, ity. Ratsy ny vokatra azon’izy ireo, omaly. Nomontsanin’ny Urunani Burunid, 112 no ho 56, ry zareo. Tsy tafita any amin’ny Elite 16 i Madagasikara.Vokatra ratsy no namaranan’ny ekipa zandary GNBC, ny fifanintsanana “Road […]






