Miatrika ady i Madagasikara amin’izao? Voalohany sy lehibe ary tsy vaovao amin’izany ny ady amin’ny fahantrana. Saika miara-dalana amin’izany ary anisan’ny vokatr’izay fahantrana izay ny ady sasany hafa rehetra. Eo, ohatra, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny ady amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, ny ady amin’ny kolikoly… Manampy trotraka ny voka-dratsin’ny […]
Other News
Filoha Rajoelina: “Hiadiana manokana ny fakana an-keriny”
Nosalorana mariboninahitra ”Brevet de mérite” sy medaly ny filohan’ny Répoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny lanonana ara-miaramila teny Iavoloha, afakomaly, amin’ny maha filoha faratampon’ny Foloalindahy azy. «Ankoatra ny fiadiana amin’ny asan-dahalo, anaovana iraka manokana fa hiady amin’ny fakana an-keriny isika. Eo koa ny fandravana ny tambajotra maro isan-karazany». Io ny hafatry […]
TSELATRA
Saron’ny zandary tao Antsirabe, ny sabotsy teo, ireo tambajotran-jiolahy mpanao menaka hosoka. Nivahiny tao amina trano fandraisam-bahiny iray ao Vatofotsy izy ireo. Nahazo loharanom-baovao mialoha momba azy ireo ny zandary ka nidina tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny menaka hosoka 600 litatra natao tanaty bidon mavo […]
trafikana zava-mahadomelina : Malagasy roa sy maorisianina iray tratra
Naiditra am-ponja vonjimaika ao Mahajanga ireo Malagasy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana kosa ny teratany maorisianina iray tratra niaraka tamin’izy roa lahy ireo. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Mahabibo (CSP2) sy ireo sampana miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao Mahajanga, […]
Variana nanangon’entana : jiolahy tratra teo am-pamakiana trano
Noraisim-potsiny! Tratra teo am-panangonan’entana ireo jiolahy namaky tranon’olona tao Soamanandray, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny sabotsy vao maraina. Tsy tao an-trano ny tompon-trano ka niditra antsokosoko ireto olon-dratsy. Efa-dahy ry zalahy no mpiaraka manao asa ratsy toy izao. Roa lahy nibata avy ao an-trano raha mandray izany eo an-tokotany kosa ny […]






