Hanomboka ny 22 hatramin’ny 26 oktobra izao ny Herinandron’ny Havàtsa-Upem, 2024. Hisy, araka izany, ny hetsika ara-kolontsaina maro hanamarihana izany etsy amin’ny Efitrano Dox Tranombokim-pirenena Anosy. Hanasongadinana sy hanandratana bebe kokoa ny tontolon’ny haisoratra sy literatiora malagasy ny hetsika. Maro ny hetsika homarihana mandritra izany. Natokana sy hanasana ny rehetra […]
Other News
Malala Andrialavidrazana: mampiranty ny kantony ao amin’ny Palais de Tokyo, ao an-drenivohitr’i France
Misongadina ao amina toeram-pampirantiana malaza maneran-tany indray ny sanganasan’ny Malagasy. Mizara ny « Figures » ho an’ireo mpitsidika ny Palais de Tokyo, ao Paris, i Malala Andrialavidrazana. Tena hoe goavana. Tamba-tsary mahatratra 60 metatra ny lavany ary 6 metatra kosa ny lavany no harantin’i Malala Andrialavidrazana, ao amin’ny Palais de Tokyo, ao […]
Tarika Rossy: hanao seho mandritra ny telo andro
Tanterahina eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny 25, 26, 27 oktobra 2024, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Rossy. Hetsika ho fampahafantarana ny rakikira izay naparitaka ao amin’ny « Plateforme Moozik ». Samy hahazo ny anjarany avokoa ireo mpankafy ny tarika mandritra ireo fotoana ireo. Hokaloina ao avokoa ireo hira nankafizana sy nahalalana […]
Narary efa ela: nodimandry i Flash B
Efa andro vitsivitsy no niely ny tsaho. Nanamafy anefa ny havany sy ny fianakaviany omaly maraina fa tsy mbola maty i Flash B, saingy efa andro maromaro no tsy nahatsiaro tena. Omaly hariva tamin’ny 5 ora kosa no nilaza ny vaovao mampalahelo izy ireo: nodimandry teo amin’ny faha-29 taonany Randrianirina […]
Fahendrena sy hasina maha Malagasy: Nankalazaina omaly ny santatry ny fanetsana
Ny rindra sy lamina ara-boajanahary, izay zary lasa fahendrena sy mpikolo ny sain’ny Malagasy, no najaina ka nivadika ho fomba. Izany no lovaina sy ataon’ireo taranaka aty aoriana, ho fanomezana hasina ny rehetra sy anton’ny fankalazana. Notanterahina omaly, teny Mandriarika Ankazobe, ny lanonana ara-pomba malagasy nanaovana ny santatry ny fanetsana. […]






