Efa andro vitsivitsy no niely ny tsaho. Nanamafy anefa ny havany sy ny fianakaviany omaly maraina fa tsy mbola maty i Flash B, saingy efa andro maromaro no tsy nahatsiaro tena. Omaly hariva tamin’ny 5 ora kosa no nilaza ny vaovao mampalahelo izy ireo: nodimandry teo amin’ny faha-29 taonany Randrianirina Anne Flacida, fantatra amin’ny anarana maha mpanakanto hoe Flash B. Efa narary nandritra ny fotoana ela ity mpanakanto ity, raha ny nambaran’ireo akaiky azy. Nampidirina tao amin’ny hopitaly ao Befandriana Avaratra izy, nialoha ny nialany aina.
Nandeha be ny resaka tao ho ao fa nisy namosavy no nankarary ity mpanakanto ity. Nitarika tamin’ny fahafatesany izany. Vao tsy ela koa anefa no nahafatesan’ny zanany kely. Voalaza ihany koa fa nisy namorika.
Ilay hira “Vrai Jôker” no tena nahafantarana an’i Flash B. Anisan’ny nanosika azy tamin’izany lazany izany i Black Nadia. Teo koa ireo hirany hafa, toy ny “Tsy mahafoy”, “”machiro”, sns. Nandritra ny fifampiarahabana noho ny taom-baovao nokarakarain’ny zanak’i Befandriana Avaratra teto Antananarivo no nahitana azy niaka-tsehatra farany.
Zo ny Aina




