Other News

Taom-pamokarana letisia 2024 : hihena ny vokatra, lasa aloha ny fiotazana

Toy ny tamin’ny taona 2016, hotazana mialoha ny letisia any amin’ny faritra atsinanana ho an’ity taona ity. Vinavinaina ho eo anelanelan’ny 11 sy 14 novambra izany, hoy ny ivontoerana teknika mpanara-maso ny famokarana ao Toa­masina (CTHT). Hihena ihany koa ny vokatra noho ny habe­tsaky ny orana hatramin’ny niandohan’ny volana oktobra, […]

Salon international de l’habitat : Omen-danja ny tontolo iainana

Miavaka ny « Salon internationale de l’habitat » andiany faha-26 atao eny amin’ny Forello Expos Tanjombato, nanomboka ny 24 ka hatramin’ny 27 oktobra. « Omen-danja manokana ny tontolo iainana sy ny fikarohana mifandray aminy », hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard, omaly, nandritra ny fanokafana ny hetsika. Mivoatra, hoy […]

Optima Business : hisondrotra 20% ny faktioran-jiron’ny orinasa

Hampiakarina ny saran’ny herinaratra ho an’ny orinasa indostrialy. Fanapahan-kevitra efa nifanarahan’ny fanjakana sy ny Vondrona orinasa tany aloha ity hampiharina ity. Nivoaka tao amin’ny fi­lan­kevitry ny minisitra, ny 23 oktobra teo, fa nankatoavina ny fanitsiana ny saran’ny herinaratra Jirama, ao anatin’ilay sokajy « Optima Business ». Voakasik’izany ny orinasa indostrialy mampiasa tanjaka […]

TARATRY ny KANTO

Mr Sayda sy ny zandry Gasy, eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Fiarahana hafakely ity hiseho anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ity. Na samy tanora aza mantsy, tsy mitovy gadona sy karazana mozika ny tarika roa tonta. Afaka miaraka tsara mihitsy anefa, satria samy be mpankafy. Mbola hanampy azy ireo […]

« Invitation aux Temps »: tetikasan’Andriantseheno Finoana Ratovo

Hotanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, ny fampirantiana ny tetikasa «Invitation aux Temps». Fampirantiana tontosain’i Finoana Ratovo Andriantse­heno, laharana faharoa nandritra ny fifaninanana «Prix Paritana» andiany fahavalo, miaraka amin’ny Fondation H. Ity tetikasa ity dia manasa an­tsika hanaiky ny fiovana sy ny tsingerina voajanahary […]