Other News

“Fullmoon Dj Festival”: vahiny mpikosoka kapila maro andrasana

Misesy ny hetsika ara-javakanto any Toamasina. Taorian’ny “Star tour” sy mialoha ny “Makua Music Festivals”, handray ny “Fullmoon Dj Festival” ny renivohitry ny faritra Atsinanana, ny 18   sy ny 19 oktobra ho avy izao. Hetsika goavana eo amin’ny sehatry ny fanafanana alim-pandihizana izy ity, satria dia handray ireo vahiny mpikosoka […]

«Makua Festival Music »: hanetsiketsehana ny zavakanton’i Toamasina

Anisan’ny fameloma-mason’ny faritanin’i Toamasina, ataon’ireo olo-malaza avy ao aminy, ny « Makua Festival Music ». Zanak’i Toamasina avokoa ny miara-misalahy amin’ny fikarakarana azy ity. Hotanterahina ny 31 oktobra 2024 hatramin’ny 3 novambra 2024, manoloana ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina, ny « Makua Festival Music », andiany voalohany. Hetsika karakarain’ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina miaraka amin’ny Makua […]

Fandraharahana: tanora 27 mianadahy vonona hiatrika asa

Nivoaka ny sabotsy teo, teny Ambatobe, ny tanora 27 mianadahy avy amin’ny andiany “Mamiratra”, nahavita fiofanana teo anivon’ny Future Leader Young with Potential (Fly-P) ao anatin’ny fandaharanasa Solika Groupe. « Tanj­ona ny hananana tanora mendrika eo amin’ny sehatry ny asa », hoy i Herisoa­lalao Natacha, reny mpiahy ny hetsika sady mpanorina ny […]

Mpandraharaha avy any Emirats: hisehatra amin’ny hotely lehibe sy sakafo

Nihaona tamin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha, ny mpandraharaha avy any Emirats Arabo Mitambatra (EAU), Emmar Mohamed Al Abbar. Nilaza ny Filoham-pirenena fa fanta-daza maneran-tany amin’ny fandraharahana izy, indrindra ny lafiny fizahantany sy zavatra hafa maro. Maro ny fampiasam-bola nataony maneran-tany, toy ny nanovana an’i Dubai. Koa, voninahitra ho […]

Fisitrahana herinaratra : mitaky famatsiam-bola hatrany amin’ny 7 miliara dolara

Mitentina hatrany amin’ny 7,3 miliara dolara ny famatsiam-bola ilain’i Madagasikara hampakarana ny tahan’ny fisitrahana herinatra ho an’ny vahoaka. Vina ny hampakarana izany ho 70% hatramin’ny taona 2030. Mahatratra hatrany amin’ny 7,3 miliara dolara ny fampiasam-bola ilain’i Madagasikara hahafahana mamatsy herinaratra ho an’ny vahoaka malagasy. Vina ho an’ny taona 2030 ny […]