Other News

vidin-tsolika: mitaky fepetra maro

« Maro ireo teboka lehibe tsy maintsy apetraka mialoha ny fampiakarana ny vidin-tsolika, toy ny lafiny ara-tsosialy, ny toekarena ary ny zava-misy amin’ny ankapobeny », hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, omaly, nandritra ny dinika niarahana tamin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, teny Alarobia. Fizotra ara-teknika, hoy izy, no natao ny […]

Rano: mahatratra 748 m3 ny voazara, omaly

Mamoaka ny tahan’ny fahafenoan’ny siniben-drano eto Antananarivo ny Foibe mitantana ny rano (COR), isaky ny amin’ny 6 ora maraina, amin’ny 12 ora atoandro ary amin’ny 6 ora hariva. Nahatratra 748 m3 ny hadirin’ny rano notsinjarain’ny fiarabe miisa 21, tamin’ny siniben-drano 51, omaly. Nisy tamin’ireo nofenoina indroa na intelo nandritra ny […]

« Rond point » Ampasika: ho vita amin’ity herinandro ity ny lalana

Mitohy ny fanarenana ny lalana eto an-dRenivohitra. Miasa andro sy alina ny orinasa manatanteraka azy ireny. Hovitaina amin’ity herinandro ity ny eny amin’ny fihodinana « rond point » Ampasika, man­kany Itaosy. Anisan’ny efa vitan’ny orinasa Magic, ny alahady alina teo, ny mifanandrify amin’ny hotely Etoile Rouge, mitohy eny amin’ny fivarotan-tsolika Jovena. N­ijery […]

Andekaleka: ringana ny ala vokatry ny fanaovana tavy

Mahitsy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna Andekaleka amin’ny tsy fahampian’ny herinaratra aty Antananarivo. « Mirongatra ny fanimbana ny doro ala sy ny tavy », hoy izy. Mitranga isan-taona ny tsy fahampian’ny herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Anisan’ny mamatsy azy ny tohodranon’Andekaleka, ahitana gropy miisa 4, mamokatra herinaratra. Tsy afaka mihodina araka ny […]