Other News

Bazaribe – Toamasina : renim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana

Raha tsy matin’ny jiolahy dia matin’ny hanoanana! Izany ny zava-misy iainan’ny mponina ao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana (Toa­masina) amin’izao fotoana izao. Renim-pianakaviana iray tokony ho 45 taona, sahirana ara-pivelomana, no maty vokatry ny fianjerana tampoka teo amin’ny arabe tao Ba­zaribe Ampasimazava Toa­masina, omaly. Voalazan’ireo olona mahafantatra azy, tsy misy mpiahy […]

Ankorondrano : kamiao nifandona tamin’ny 4×4

Niteraka fitohanan’ny fifamoivizana ny fifandonana teo amin’ny kamiao sy fiara tsy mataho-dalana an’ny orinasana tambajotram-pifandraisana iray tetsy Ankorondrano, omaly tolakandro. Niditra ny fihodinana (rond-point) mihazo ny lalamby, voafaokan’ilay kamiao teo amin’ny valahany ilay fiara tsy mataho-dalana. Tsy fantatra mazava ny antony nampisy ny fifandonana. Niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fandaminana […]

Ora efatra ny fifampitifirana: mpaka an-keriny fito mianadahy maty

Niampatrampatra ny faty! Mpaka an-keriny fito mianadahy no lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika. Avotra ny takalonaina. Basy Mas 36 iray niampy basim-borona efatra no tratra. Naharitra ora efatra ny fifampitifirana teo amin’ ny zandary niaraka tamin’ny Tafika, andaniny sy ny mpaka an-keriny, ankilany tany Anosimanjaka, Ambolo­tarakely. Ny alin’ny alahady […]