Other News

Manjakandriana: mpanamboatra saribao 86 nomena fiofanana

Faritra anisan’ny tena ahitana ala kininina ny distrika Manjakandriana. Toerana mpamokatra saribao, mamatsy ny aty an-dRenivohitra. Nahazo fiofanana ny mpamokatra, ka nomena mari-piofanana, ny volana septambra teo. Miisa 86 izy ireo, avy any amin’ny kaominina miisa 11, nomena fiofanana ara-teknika nohatsaraina amin’ny fomba fanamboarana saribao (Tac). Tanjona ny hitandroana ny […]

Antalaha; Tohodrano hanondraka 128 ha

Mangetaheta fampiroboroboana ny fambolena ny tantsaha any Antalaha. Tohodrano roa no vita, ahafahana mampitombo ny vokatra. Notokanana ny volana septambra teo, ny iray amin’ireo tohodrano roa namboarina any amin’ny kaominina Ambohitralanana, distrika Antalaha. Mahatratra 33 metatra ny halavany, manana lakandrano 2 225 m, amin’ny ilany havia ary 1 175 m […]

TARATRY ny KANTO

Eny amin’ny Ivokolo Analakely indray ny ambohi-pihaonan’ny mpankafy Jazz, anio, ao anatin’ny «Festival Madajazzcar» andiany faha-35. Sanda Ranaivosoa Quartet no hanafana ny sehatra mandritra ity hetsika ity. Izy izay anisan’ireo nivoaka tamin’ny fampiofanana Madajazzcar. Nahavita ny fifaninanana hamaritana ny solotenany, hiatrika ny “Slam National XV” (SN XV), atao eto Antananarivo […]

Lohataona : nampiray ny faritra rehetra

Nampiray sy nampiombona ny vahoaka malagasy rehetra manerana ny faritra 23 teto amin’ny Nosy ny fankalazana ny lohataona: taom-baovaon’i Madagasikara teto An­tananarivo. Namoriana olona 1 274 ny lanonana ofisialin’ny fankalazana. Mbola nihoatra izay ny olona tonga tetsy amin’ ny tranombokim-pirenena, izay nanaovana hetsika fampirantiana ireo haren-tsaina isam-paritra, ny sabotsy teo. […]

Hisy seho telo andro : hivoaka amin’ny Moozik avokoa ny rakikiran’i Rossy

Hamaly ny fangatahan’ny mpankafy mozika. Azo jifaina ao amin’ny Moozik avokoa ny rakikiran’i Rossy rehetra, hatramin’ireo telo nivoaka farany. Ho avy koa ny andiam-pampisehoana. “Hatomboka izao ny fiaraha-miasa eo amin’i Rossy sy ny Moozik. Rehefa mety ho rakikira navoakan’i Rossy dia azon’ireo mpankafy jifaina ao manomboka izao”. Io ny fanambarana […]