Other News

Fanavotana ny firenena : Ilaina ny fiaraha-manatanteraka

Nanatanteraka fihaonana ireo Malagasy manam-pahaizana maro, mpitondra fivavahana samihafa, fikambanana maro, tetsy amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina, afakomaly. Nitondran’izy ireo anjara biriky amin’ny famahana ny olana mianjady amin’ny Malagasy iray manontolo. «Ampy izay ny resabe, ampy izay ny fampanantenana, ampy izay ny fanakianana tsy mitondra vokatra. Mila vahaolana azo tanterahina ny […]

Depiote Rafidimanana Désiré : «Hosorohana mialoha ny tondradrano»

Mikaro-bahaolana hatrany. Nanao dinika fiaraha-miasa tamin’ny Apipa, teny Anosizato, omaly , ny depioten’ny boriborintany fahefatra, Rafidimanana Désiré. Nambarany tamin’izany fa tafiditra ho amin’ny famaliana ny hetahetam-bahoaka ny dinika. Voa­resaka tamin’ny tale jeneralin’ny Apipa, Rafidimanantsoa Tojoandry Tiana, ny tokony hamahana ny olana mahazo ny mponina eny amin’ny faritra iva, eny amin’izy […]

VAOVAO TAMBATRA

Maherin’ny 50 taonina ny lohamenaka Ylang Ylang naondran’i Madagasikara ny taona 2023. Mbola ambanin’ny 125 taonina izay naondrana ny taona 2019 sy ireo 600 taonina naondrana tany aloha izany. Niantraika betsaka teo amin’ny seha-pihariana ny krizin’ny Covid-19 sy ny lalàna vaovao momba ny tontolo iainana. Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy […]

Sakafo andavanandro : ambany ny taham-pihinanana atody

Manodidina ny 20 isan’olona, isan-taona, eo ny taham-pihinan’ny Malagasy atody, raha toa ka maherin’ny 67 izany ao Afrika. «Tsy mahavantana ny Malagasy ny fihinanana atody isan’andro», hoy ny fanazavan’i Landy, mpiompy akoho eny Ana­lamahitsy. Lafo ny vidin’atody noho ny tsy fahampian’ny katsaka. Na izany, manomboka misehatra tsikelikely eo amin’ny fiompiana […]

Ala honko : teknisiana 20 hiofana any Chine

Manana anjara lehibe amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny ala honko. Efa lasa lavitra amin’ny fitantanana sy fiarovana azy ny any Sina. Manampy an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ho fiarovana azy ny fikambanana International Mangrove Center (IMC) sy ny Mangrove Conservation Foundation (MCF) avy any Sina. Tanjona […]