Other News

mpandraharaha: tantsoroka ny fidirana anaty rafitra

Maro ny tombontsoa azo amin’ny fidiran’ny mpandraharaha anaty rafitra na fikambanana hanatsarany ny lalam-pihariana. Misy ny tohana sy tantsoroka omen’izy ireny hampiroboroboana ny fan­draharahana. « Hanampy azy hamantarany ny lalàna mifehy ny fandraharahana ny rafitra. Hanatsara ihany koa ny vokatra ataony sy ny lalambarotra azo handefasana entana », hoy ny Sekretera […]

Fahy rano…tsy mety fay

Nahomby indray aloha ny paikadin-tseraseran’ny filohan’ny Repoblika, mahakasika ny olon’ny rano sy jiro eto an-dRenivohitra. Nangingina ny mpitabataba eny amin’ny tambajotran-tserasera sy ny mpisintona lakolosy, ary ny mpandrangitra sy ny mpandrehitra afo. Na ny ankamaroan’ny lasibatra aza, mba nanakombom-bava, omaly. Nilokaloka ny hitondra vahaolana rahateo ny mpizaika teny Ambohitsirohitra amin’ny […]

Andekaleka : tsy ampy ny rano, gropy roa sisa no afaka mihodina

Mibaribary ny tsy fahampian’ ny herinaratra vokarina any amin’ny tohodrano Andekaleka. Miantraika mivantana amin’ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo izany. Avy amin’ny reniranon’ Ivo­hitry, miainga any Andasibe sy ny reniranon’i Fierenana avy any Am­batondrazaka ny rano mamatsy ny tohodranon’Andekaleka. Miisa 4 ny gropy mamokatra herinaratra, saingy 2 ihany sisa no ampiasaina […]

Akondromena : maty voatifitry ny zandary i Vazaha

Lavo nandritra ny fifandonana teo amin’ny zandary ny malaso raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe : Lezafy Vazaha, tao Ankisatra, kaominina Akondromena, distrikan’i Miandrivazo, omaly maraina. Nahazo angom-baovao mialoha ny zandary fa hisy dahalo hanafika ao an-tanànan’Ankisatra, omaly. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona. Tonga tokoa ireo andian-dahalo nikasa […]

4X4 niharan-doza : maty tsy tra-drano ny mpamily, telo naratra

Mpamily iray maty, olona telo naratra vokatry ny lozam-pifamovoizana teny amin’ny lalam-pirenena RNT12a, teo Bekabaro, fokontany Manam­bondro, distrikan’i Vangain­drano, ny talata 1 oktobra teo. Nikasa hizotra hianavatra ireo olona efatra tao anatin’ny fiara izay avy namita hiraka manokana tao Manambondro. Mpi­asa amin’ny tambajotram-pifandraisana matanjaka eto an-toerana izy ireo. 2 km […]