Tsy nisy nahavita ny nataon-dry zalahy, hatreto ! Mitoetra ny lazany, mamaly fitia ireo mpankafy, mampiakatra ny lentan’ny fampisehoana hataony hatrany ry AmbondronA. Mipetraka ho tantara indray iny! Raha any amin’ny fanatanjahantena dia iny no zava-bita tsara indrindra mila montsanina, ho an’ireo hanao manaraka. Asa, mety ry AmbondronA ihany no […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Nilanja 85 kilao ny trondro, tilapia sy karpa, azo tao amin’ny dobo anatin’ny toby miaramila Ensoa Antsirabe. Vokatra voalohany azo ny 27 septambra teo, tao amin’ireo dobo efatra natao ho fiompiana fitaratra. Miisa 2 800 ny zana-trondro narotsaka tao, nohatavezina nandritra ny 8 volana. Misy milanja 1,5 kg ny trondro […]
Tetikasa BLP : orinasa 300 notohanana
Fandaharanasan’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad) natsangana ny taona 2020 ny Fampandrosoana ny orinasa madinika sy salantsalany (MPME). Natao hampiroboroboana ny toekarena sy namoronana asa ho an’ny tanora sy ny vehivavy. Napetraka ny tetikasa SME Business Linkage Program (SME BLP), izay nahatratra 1 tapitrisa UC ny tetibola novatsian’ny Bad. […]
Robotika : azon’ny Malagasy ny medaly volamena
Natao omaly 29 septambra, tany Grèce, ny andro farany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena robotika, “First Global Challenge”. Miisa 4 mianadahy ny tanora malagasy nisolo tena an’i Madagasikara. Taorian’ny fihaonana nisesy, azon’i Madagasikara ny voalohany, nandrombahana ny medaly volamena. Nizara ny hafaliany i Mariah, nilazany fa «tena faly tokoa izahay amin’izao fandresena […]
Arivonimamo : mirona amin’ny fambolen-kazo sy ny fitsitsiana angovo
Manana paikady mahomby ny tetikasa Diabe, hiarovana ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fambolen-kazo sy ny fampiasana fatana mitsitsy. Mifantoka amin’ny fampiofanana sy ny fampitaovana amin’ny lafiny tontolo iainana ny tetikasa Diabe. Anisan’ny nisitraka izany ny fikambanam-behivavy ao amin’ny fokontany Manjakazaza, kaominina Ambohitrambo, distrika Arivonimamo. Nilaza Razafiarisoa Elisabeth, fa «maro ny […]






