Ankoatra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, handray ny fihaonamben’ny filoham-panjakana aty amin’ny ranomasimbe Indiana na COI i Madagasikara. Handray ny toerany anio kosa ny sekretera jeneraly, Edgard Razafindravahy. Hampiantrano ny fihaonana an-tampony faha-5 ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara, ny fiandohan’ny taona ho avy. Ho ambohi-pihaonan’ireo filoham-panjakana ny any Nosy-Be Hell […]
Other News
TSELATRA
Lavon’ny tifitry ny polisy tetsy Ambodinisotry Radadatoa, jiolahy mpanao fanafihana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Taorian’ny nahasamborana azy, nitarika ny mpitandro filaminana hitoroka ny namany izy saingy nikasa handositra. Maty voatifitra taorian’izay. Renim-pianakaviana 60 taona hita faty tao Mandritsara, afakomaly. Niharan’ny fanolanana io ramatoa io vao novonoina, araka ny fizahana […]
Ambohidratrimo : lehilahy nahatrarana vola sandoka 40 000 Ar
Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray mpanaparitaka vola sandoka tao amin’ny fokontany Ambohidehilahy, kaominina Ambohidratrimo, ny 28 septambra teo. Naharay loharanom-baovao avy tamin’ ny tsara sitrapo, nosavaina ny trano fonenan’io lehilahy voarohirohy io. Nahitana vola sandoka 5 000 Ar miisa efatra niampy 10 000 Ar miisa roa tao aminy. Nihazona tombokase hosoka […]
Tsy nanaiky fandaminana : lehilahy iray mamo nisandoka ho Serzà
Mahita atao foana! Voasambotry ny zandary teny Anosizato Andrefana, ny faran’ny herinandro, ny lehilahy iray nanao fandikan-dalàna sady naniratsira mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asany. Tsy nanaiky ny fandrindrana sy ny fandaminana ny fifamoivoizana nataon’ny zandary ity lehilahy ity fa nilaza ho maika sy nitonona ho miaramila mitondra ny galona […]
Niady lavaka: telo lahy maty tototry ny tany
Olona telo niara-maty tototry ny tany tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Niezaka nanavotra ny fokonolona fa tsy tana ny ain’izy ireo. Nifampisokirana tao anaty ranontany ireo telo lahy nihotsahan’ny tany tao amin’ny tanànan’Ambedamena, fokontany Betafo, kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Niasa io tany io hanaovana lalan-drano ho any amin’ny tany […]






