Other News

Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina: hisy faritra fambolena iraisana

Mametraka vina iraisana ny mpikambana anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana na COI. Miompana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fambolena izany. Tontosa omaly, tao amin’ ny Nosy Maorisy, ny fandraisam-pahefan-dRa­za­findravahy Edgard, Sekretera jeneraly vaovaon’ny Vaomie­ran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Niatrika izany ny manam-pahefana sy ireo olona manan-kaja maro, avy amin’ireo firenena mikambana eo […]

TSELATRA

Natelin’ny ranomasina, zazalahy 9 taona nifampitadiavan’ny fokonolona tao Fenoarivo Atsinanana, afakomaly. Hitan’ny mponina teo amoron-dranomasina ny akanjo sy kapa nanaovan’io zaza io. Nitohy omaly ny fikarohana azy. Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora ilay nisandoka ho serzà sy naniratsira zandary teny Anosizato, ny farany herinandro teo. Natolotra ny fampanoavana omaly […]

10 000 Ar very : tovolahy maty nodarohan-drainy

Nialana nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy vokatry ny daroka nahazo azy ny tovolahy 17 taona tao Toamasina Renivohitra, ny 27 septambra teo. Nitrangana fahaverezana vola 10 000 Ar tao amin’ny tranon’izy ireo. Tezitra mafy ny rain’io ankizy io. Nodarohana tamin’izany ilay zanany lahy. Ataon’ny rainy ho tompon’antoka tamin’ny fanjavonan’io […]

Ambohitrimanjaka : roa lahy nahatrarana rongony 5 gony

Naiditra vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy nahatrarana rongony dimy gony tao Ambaribe, fokontany Fia­ka­rana, kaominina Ambohitri­manjaka, ny 28 septambra teo. Lehilahy iray tra-tehaky ny zandary teo am-pifohana io karazan-javamahadomelina io. Nofotorin’ny mpitandro filaminana io mpidoroka io ka nanaiky hitoroka ny foibe mpamarotra rongony. Norai­sim-potsiny tao an-trano nambenany ny mpiambina […]

Nahatrarana finday halatra: voasambotra izy roa lahy

Narahin’ny polisy nisahana ny fanadihadiana tamin’ny alalan’ny laharana IMEI an’ny telefaonina very, mpamaky trano roa lahy voasambotra tao Mandritsara, omaly. Nitrangana vaky trano tao amin’ny fokontany Ambohipo, ny alin’ny alahady 28 jolay lasa teo. Norobain’ireo jiolahy avokoa ny entana sarobidy tao amin’ny trano lasibatra. Nalain’ireo mpandroba koa ny finday. Nametraka […]