Other News

« Miss Madagascar »: Voahosotra i Cyria Olivine

Temagnombe Cyria Olivine, Miss Androy. Taorian’ny lanonam-pamaranana dia voahosotra hitondra ny anaram-boninahitra ho «Miss Madagascar» ity tovovavy ity. Tsy mora ny asan’ireo mpitsara, izay nisafidy tamin’izy 19 mirahavavy solontenan’ireo faritra manerana ny Nosy. Tsy mora ihany koa ny masontsivana nosedrain’ireo mpifaninana, indrindra nandritra ny famaranana tetsy amin’ny Canal Olympia Andoha­tapenaka, […]

VAOVAO TAMBATRA

Nilanja 85 kilao ny trondro, tilapia sy karpa, azo tao amin’ny dobo anatin’ny toby miaramila Ensoa Antsirabe. Vokatra voalohany azo ny 27 septambra teo, tao amin’ireo dobo efatra natao ho fiompiana fitaratra. Miisa 2 800 ny zana-trondro narotsaka tao, nohatavezina nandritra ny 8 volana. Misy milanja 1,5 kg ny trondro […]

Tetikasa BLP : orinasa 300 notohanana

Fandaharanasan’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad) natsangana ny taona 2020 ny Fampandro­so­ana ny orinasa madinika sy salantsalany (MPME). Natao hampiroboroboana ny toekarena sy namoronana asa ho an’ny tanora sy ny vehivavy. Napetraka ny tetikasa SME Business Linkage Program (SME BLP), izay nahatratra 1 tapitrisa UC ny tetibola novatsian’ny Bad. […]

Robotika : azon’ny Malagasy ny medaly volamena

Natao omaly 29 septambra, tany Grèce, ny andro farany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena robotika, “First Global Challenge”. Miisa 4 mianadahy ny tanora malagasy nisolo tena an’i Madagasikara. Taorian’ny fihaonana nisesy, azon’i Madagasikara ny voalohany, nandrombahana ny medaly volamena. Nizara ny hafaliany i Mariah, nilazany fa «tena faly tokoa izahay amin’izao fandresena […]