Niady tanteraka ny lalao teo amin’ny TIIA BC sy ny Dalton, sokajy Vétérans, nandritra ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, natao teny amin’ny kianjan’ny fokontany Amboditsiry, ny alahady lasa teo. Isa 61 no ho 57 no nisarahan’ny roa tonta, ka nivoaka mpandresy ny ekipan’ny Dalton. Nafana tanteraka ny lanonana nankalazana […]
Other News
Rugby-sokajy lehilahy : hiady toerana hiakarana ho «Top 8» ny Makis
Firenena 8 no hiady ho lohany hiakarana ao amin’ny “Top 8”, aty Afrika, amin’ny taranja rugby lalaovina olona 15, sokajy lehilahy. Hotanterahina any Maroc sy Tunisie izany fifanintsanana izany, ny 7 ka hatramin’ny 18 novambra ho avy izao. Anisan’ireo hiatrika izany ny Makis de Madagascar. Nozaraina roa ireo mpifaninana ka […]
Karate-Analamanga : nahazo vokatra tsara ny Makawa
Tsy nitsanga-menatra ny klioban’ny Makawa, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja karate, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina. Tsara ny vokatra ho an’ity klioba ity. Medaly volamena 3, volafotsy 4 ary alimo 2 no azon’ny mpikatroka avy amin’ny Makawa. “Niezaka ny tsirairay”, raha ny nambaran’ny mpampianatra […]
Federasiona Taekwondo malagasy : nofoanana ny fampivondronana ny ekipam-pirenena
Tsy raikitra ny fampivondronana an’ireo mpikatroka taekwondo 33 mianadahy izay tokony hatao rahampitso. Raha ny fantatra, efa nandefa anarana atleta roa mialohan’ny fotoana ny filohan’ny Federasiona malagasy taranja Taekwondo teo aloha, ka tsy misy antony hanaovana ny fampivondronanana farany intsony. Hotanterahina any Korea, ny 1 hatramin’ny 6 oktobra ho avy […]
Ambatovy: Ankizilahy ny 25% amin’ireo hisitraka vatsim-pianarana
Novelarina amin’ny tovoloahy ny fisitrahana ny fandaharanasa fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika ao amin’ny ambaratonga faharoa eo anivon’ny faritra hiasan’Ambatovy. Manomboka izao, hahatratra 25% ireo ankizilahy hisitraka izany raha toa ka laharam-pahamehana hatrany ny ankizivavy. Vatsim-pianarana 600 ho an’ny mpianatra 243 no efa nomen’Ambatovy mba hahafahan’izy ireo manohy fianarana. […]






