Other News

Harena an-kibon’ny tany: hiditra amin’ny fanomezan- dalana elektronika

Mivoatra ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika, taorian’ny nivoahan’ny lalàna vaovao mifehy azy, ny taona 2023, hampiasaina ny teknolojia niomerika hanamorana ny fitantanana. Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika (MMRS), Rakotomalala Olivier, omaly, fa mavesatra sy be loatra ny lalàna mahakasika ity sehatra ity. […]

TARATRY ny KANTO

Gazela Meva – ampahafantarina mandritra ny «Sehatry ny mpanoratra». Niova an’izay ilay «Volana iray, mpanoratra iray», tetikasa mitohy an’ny minisiteran’ ny Kolontsaina sy ny serasera. Ampahafantarina man­dritra ity volana septambra ity i Gazela Meva, mpanoratra, poeta, mpilalao an-tsehatra, mpamelona tantara an’ onjam-peo, sns. Hampahafantarina, mandritra izany, koa ireo sanganasany. Hanatanteraka […]

8 taona niketrehana… : “Masoandro”, rakikira voalohan’i Day

Tsy toa ireo mpanakanto mihazakazaka amin’ny famoahana vokatra izy… Tsy maika ny hiaka-daza koa, kanefa nizara ny mozikany teo foana. Izao vao tapa-kevitra ny ha­moaka ny rakikirany voalo­hany i Day. 8 taona no niketrehany ny “Masoandro”, izay haroso ho eny an-tsofina sy hipaka any amin’ny atifana­hin’ny tena mpankafy mozika amin’izay. […]

« Hindi Diwas 2024 » : mbola voakajy ary manana ny maha izy azy ny teny « hindi »

Anisan’ny itarafana ny maha izy azy ny firenena iray ny teniny. Mbola mitandro fatratra izany ny Indianina, izany indrindra no anisan’ny antony hankalazana ny “Hindi Diwas 2024”. Tontosa omaly, teny amin’ ny Foibe toeran’ny ma­soivohon’ny Inde, teny Tsaralalàna, ny lanonana fankalazana ny « Hindi Diwas 2024 ». Izy ity izay fahatsiarovana ny […]

Fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka : mampitombo ny fahatokisan-tena eo amin’ny olona tsirairay

Anisan’ny sakana mahazo ny ankamaroan’ny olona tsy handray fitenena imasom-bahoaka ny henatra, ny tahotra , ny tebiteby ara-tsosialy sy ny maro hafa. Mampitombo ny fahatokisan-tenan’ny tsirairay ny fandraisam-pitenenana matetika. Zava-dehibe ny fahafehezana sy fahaizana mandray fitenenana imasom-bahoaka. Mitaky fifehezana zavatra maro izany mba hahafahana maka ny fon’ny mpijery sy ny […]