Other News

Fivadiham-pitokisana : Vadina mpanakanto iray nisoloky 30 tapitrisa Ar

Niakatra teny anivon’ny fitsarana, afakomaly, ny raharaha fivadiham-pitokisana nataona vadina mpanakanto malaza iray ka nisolokiany 30 tapitrisa Ar. Renim-pianakaviana iray, 70 taona, no voasolokiny tamina fividianana tany mirefy 1 100m² tetsy By-Pass, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpisolovava ilay niharan’ny fisolokiana. Nambarany fa nosoratany tao anatin’ny taratasy fifampivarotana teo amin’ny […]

Naratra mafy ny tompon-trano : 60 000 Ar nangalarina, nampiasana basy PA

Notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana ny fianakaviana iray, teny Manandriana Avaradrano, afakomaly alina. Voaroba ny vola 60 000 Ar, solosaina finday. Nanohitra tamin’ny vely vy tao anaty haizina ny tompon-trano, kinanjo izy mianakavy no nifandratra. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray teny Manandriana Ava­radrano. Lasibatra ny tokantrano iray, ny alin’ny alatsinainy nifoha talata. Niditra […]

Kick Afrika- Maître Kelly : “Tokony hiankina amin’ny teknika ny fandraisan’anjara”

Nitondra fanazavana ma­hakasika ny nanendren’ny filohan’ny Federasionin’ny kick boxing azy hisahana ny lafiny teknika ny Maître Rasoanaivo André Kelly. Nambarany fa tonga nanatona azy ny filohan’ny Federasionina, Rafidison José, ary nanankina aminy ny fametrahana ireo hitantana ny fanazaran-tenan’ny mpikatroka. Manoloana izany, nilaza izy fa miankina amin’ny lafiny teknika ny hahafahana […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga, ny fiofanana Beach-volley ho an’ireo teknisiana sy mpitsara nokarakarain’ny Ligin’Ana­la­manga. Niarahana tamin’ny mpampiofana Fidy izany. Nahazo mari-pankasitrahana ny mpiofana. Hotanterahina manomboka ny 22 mey izao kosa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, eo amin’ity taranja ity. Tafita any amin’ny dingana manaraka, […]

Baolina kitra – Can 2027: Andrasana anio ireo hiray vondrona amin’ny Barea

Hotanterahina anio, any amin’ny foiben’ny Federasionina egyptianin’ny baolina kitra (EFA), Le Caire, Egypte, ny antsapaka hahafantarana ny anaran’ireo firenena izay ho mpiray vondrona amin’ny fifanintsanana Can 2027. Andrasana, mandritra izany, ireo ekipam-pirenena izay hiray vondrona amin’ny Barean’i Madagasikara. Marihina fa miisa 48 ny firenena tafita hifanintsana, hiady ny tapakila hiatrehana […]