Tsy mety fay mihitsy! Teo am-pikasana ny hiondrana antsokosoko hihazo an’i Mayotte indray ireo olona 22 no nifanehatra tampoka tamin’ny zandary tao Ambanja, afakomaly misasakalina. Nahazo loharanom-baovao ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Nosy Be sy Ambanja momba ny fisian’ireo andian’olona mikasa hiondrana antsokosoko mandeha sambo haingam-pandeha voalaza fa hihazo an’i Mayotte. […]
Other News
Ankasina : tranohazo sy ozinina indray kilan’ny afo
Ny akanjo teny an-koditra sisa! Kilan’ny afo ireo tranohazo ahitana tokantrano valo, teny Ankasina, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora sy 15 mn. Voalaza fa noho ny tandrevaka tao amina tokantrano iray no nitarika ny firehetana. Misy ozinina mpanao fanaka, mpikirakira bateria, mpanao vato, teo amin’ity toerana levon’ny afo ity. Tampoka […]
Fifandonana mahery vaika: zandary naratra voatifitra ny dahalo
Nidiran’ny bala teo amin’ny tongony, noho ny tifitra nataon’ny olon-dratsy, ny zandary GHC iray tao Andiolava, afakomaly. Efa nahazo fitsaboana izy. Zandary am-perinasa iray naratra mafy voatifitry ny dahalo tao Satrokala, kaominina Andiolava, distrika Ihosy, faritra Ihorombe, afakomaly. Nanao fisafoana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy miisa telo no naharay antso fa […]







