Other News

Fiatrehana ny loza voajanahary: miara-miasa i Madagasikara sy i Seychelles

Noraisin’ny Talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Ra­hara­ham-bahiny malagasy, Rakotomalala Herizo, tetsy Anosy, omaly, ny tale jenera­lin’ny BNGRC, miaraka amin’ ny delegasiona anatin’ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny loza voajanahary eo anivon’ny minisiteran’ ny Atitany ao Seychelles. Tan­jon’izao fihaonana izao ny fa­na­mafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifampizarana fahaiza-manao ary traikefa eo amin’i Madagasikara […]

Minisitry ny Fitsarana: “Mila aseho ny vahoaka fa miezaka manadio ny fitsarana ny minisitera”

Mitohy hatrany ny ezaka samihafa ataon’ny tomponandraikitra misahana ny eo anivon’ny fitsarana, amin’ny fametrahana fitsarana mangarahara sy tsara tantana, lavitry ny kolikoly. Tanterahina nanomboka ny 10 hatramin’ny 13 septambra 2024, eny amin’ ny ENMG Tsaralalàna, ny atrikasa momba ny fanombanana sy fanadihadiana ny rafitra sy ny fomba fiasa ao amin’ny […]

Ravalomanana Marc : “Tena sarotra ny firo­tsahan-kofidina”

“Ny tiako homarihina: tena sarotra ange izany, tena sarotra… Hasarotina ve ny firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanà­na? Aiza no hahazoantsika te­na maneho izany hoe demokrasia sy ny fahalalan’ny olona izany?”. Io ny fijerin’ny filoha mpanorina ny Tim, Ravaloma­na­na Marc, teny Isotry, omaly, tamin’ny fametrahana ny an­tontan-taratasy firotsahan-ko­fi­dina ho ben’ny Tanàna eto […]

Ady amin’ny kolikoly : hojerena isan-tsehatra ny paikady

“Tsy ny ambangovangony no horesahina, fa ho jerena tsara hoe: ahoana ny amin’ny fananan-tany, fandriampahalemana, fitsarana… ?”. Hoy ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny atrikasa fakan-kevitra ho an’ny fa­ritanin’Antananarivo amin’ny fandrafetana ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Jerena izay tena maharary ny vahoaka […]

Namearison Robert : “Mazoto mamonjy propagandy nefa tsy tonga mifidy ny vehivavy”

Ny vehivavy no tena mavitrika sy maro amin’ny fiatrehana fampielezan-kevitra nefa tsy tonga mifidy? Maneho hevitra ny amin’izay ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Ny vehivavy no mandrafitra ny 90% ny mpanatrika fampielezan-kevitra; nefa rehefa tonga amin’ny fifidianana, 15% no tonga mifidy. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Aiza […]