Eo anelanelan’ny 6%-9% ny fiakaran’ny vidim-piainana mandritra ity volana septambra ity, araka ny vinavinan’ny roa ampahatelon’ny banky eto Madagasikara. Vinavinain’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) fa ho 8% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainaa amin’ity taona ity, noho ny fiantraikan’ny vidin-tsolika, ny tahan’ ny fifanakalozana vola vahiny ary ny mety ho fiakaran’ ny […]
Other News
injenera vaovao 97: hitondra ny anjara birikiny
Miampy 97 indray ireo injenera navoaka’ny Sekoly ambony momba ny hay famokarana sy ny Zava-boary (ESSA) eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ireo andiany « Andrarangy, Mahasedra ». Vondrona manam-pahaizana sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny famokarana. Matoky, araka izany, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny […]
Ankazobe : may ny manodidina ny alan’Ambohitantely
Niredareda ny afo, omaly, manodidina ny tahirin’ala Ambohitantely, distrika Ankazobe. Tonga hatrany amin’ny sisin’arabe ny afo ka sarotra ny fifamezivezena, araka ny loharanom-baovao any an-toerana. Maty tanteraka kosa ny afo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Foibem-pirenena fanofanana teknisian’ny ala (CNFTF) Angavokely. Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoan’ny haintany isika izao, fotoana mampirongatra […]
Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana : nanome 67 tapitrisa dolara an’i Madagasikara
Mitentina 67 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola nomen’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) an’i Madagasikara ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampiroboroboana ny toekarena. Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Bad, ny zoma teo, ny fanomezana tohana ara-bola hatrany amin’ny 67 […]
Volley-Mada D1: nafana ny fifandonan’ny ASSM sy ny MVBC
Lalao 8 avy hatrany no nanokafana ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy “1ère division”, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana tontosaina eny amin’ny kianjan’Itaosy. Fifandonana anisan’ny tena niady sy nampitsanga-mitoetra ny mpijery ny lalao teo amin’ny MVBC sy ny ASSM, sokajy lehilahy. Tany amin’ny Tie Break, […]






