Other News

Salon de l’Agronomie 2024 : hampahafantatra ny tontolon’ny famokarana

Hotanterahana ny 17-20 septambra ny « Salon de l’Ag­ronomie » andiany voalohany eny amin’ny Sekoly ambony momba ny haifamokarana sy ny Zavaboahary (ESSA), ny Oniversiten’Antananarivo. Hampahafantatra ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka maro samihafa ao anatin’ny tontolon’ny Agronomie ny hetsika. « Tanjona ny hampahafantatra ny rehetra fa miantoka ny fampandrosoana ny firenena sy ny fanjarian-tsakafo […]

JNEB andiany faharoa : manana tombony ny faritra Atsinanana

Mahafeno ny fepetra amin’ny fampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga i Toamasina, noho izy manana ny ranomasimbe Indianina sy ny lakandranon’i Pangalana mirefy 647km. Tombony ho an’ny faritra Atsinanana ny fananany ny seranan-tsambo lehibe indrindra izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mampidi-bola sy mamelona tokantrano maro ihany koa […]

« Salon de l’auto » 2024 : Zava-baovao ny fiara mandeha amin’ny herinaratra

Hatao ny 10 hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao ny hetsika « Salon de l’auto 2024 ». Hiavaka amin’ity andiany faha-14 ity ny fisian’ireo fiara elektrika, izany hoe, mandeha amin’ny herinaratra, manaja ny tontolo iainana. Mikarakara ny hetsika eny amin’ny CCI Ivato ny Vondron’ny mpandraharaha mpanafatra fiara eto Madagasikara (GCAM). Nasongadin’ny filohany, […]

Habibiana : lehilahy iray nanolana an-janany

Habibiana ! Izay no azo ilazana ny fihetsika nataon’ny raim-pianakaviana iray 41 taona tamin-janany naterany vao 8 taona monja teny Ambohijanaka, ny herinandro teo. Vitany ny nanolana io zanany naterany io ary efa fanaony izany. Tamin’ny alalan’ny fitoriana nataon’ny vadin’ity raim-pianakaviana ity no nahafahana nanenjika azy. Vao nahafantatra io fitoriana nataom-badiny […]

Raharaha  Box Miami: Pasitora iray afaka noho ny fisalasalana

Ny talata 3 septambra teo, nivoaka tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina  ny didim-pitsarana mahakasika ny fisolokiana sy fakana vola tsy ara-drariny aman’olona, izay anenjehana ny mpiasan’ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina sasantsasany. Naka vola tamina mpandraharaha mitotaly 85 tapitrisa Ariary, ho tambin’ny fanomezana anjara toerana hahazo Box  ao Miami […]