Manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara i Japon sy Turquie amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David, teny Ambohidahy, ny talata teo, ny masoivohon’i Japon, miasa eto Madagasikara sy Comores, Abe Koji. Fotoana iray nanamafisan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa. Handresy lahatra […]
Other News
Ladoany : fiofanana ho an’ny tranzitera
Mikarakara fiofanana ho an’ny mpikarakara entana aondrana na hafarana avy any ivelany, tranzitera, ny fitantanana foiben’ny Fadintseranana. Tanjona ny hahafahan’ireo mpisehatra matihanina mifehy tsara kokoa ny Sydonia World mahakasika ny tsy fandoavana hetra sy haba, izay fitaovana niomerika manamora sady manafaingana ny dingana arahina. Nanomboka anio 20 ka hatramin’ny 4 […]
Fitaterana ana habakabaka: hiara-hiasa ny Air France sy ny Madagascar Airlines
Hitambatra anaty tapakila iray ny sidina avy any Paris-Charles de Gaulle mihazo an’Antananarivo, ataon’ny kaompania Air France sy ny sidina avy eto an-toerana mampitohy any amin’ireo faritra ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Manomboka ny 1 oktobra izao, hitambatra anaty tapakila iray ny sandan’ny zotram-piaramanidina mampifandray an’i Paris-Charles de Gaulle sy Antananarivo, […]
TARATRY ny KANTO
Hanomboka anio ny « Angaredona Mozika Festival », andiany faha-18. Hotontosaina eny amin’ny Canal Olympia ny seho fanokafana, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hanafana izany ny tarika Zandry Gasy sy Rajery. Hitohy mandritra ny faran’ny herinandro eny amin’ny Naturia Palm Ambohibao (RN3) kosa ny andiam-pampisehoana. Tarika ampolony no hifandimby an-tsehatra rahampitso sy […]
Sarimihetsika mampatahotra: halefa anaty efitrano ny « R+3, The Origin »
Sarimihetsika malagasy, fa tsy araka ny anarany ny « R+3, The Origin ». Ny nampiavaka azy amin’ireo aman-jatony efa nivoaka kosa, sarimihetsika mampatahotra izy ity. Efa nisy ny andiany voalohany tamin’ny R+3 izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Tohiny sady farany kosa ity hivoaka tsy ho ela ity. Alefa voalohany, ny 9 oktobra izao, […]






