Other News

Fitaterana : handray mpiasa malagasy ny Emirates

Anisan’ny matanjaka indrindra maneran-tany ny kaompania Emirates. Handray mpiasa malagasy ity orinasa ity, ankehitriny, eto Antananarivo, amin’izao fisokafan’ny zotra mivantana Dubaï-Antananarivo, mandalo atsy Mahé Seychelles izao. Andraikitra hosahanina ny fifandraisana sy ny fikarakarana ny mpandeha anaty fiaramanidina sy ny an-tanety. Hiasa any Dubaï ny olona ho voaray, aorian’ny fiofanana mandritra […]

Toekarena maitso: ahavitana zavatra maro ny volobe

Ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fandrakofana ala an’i Madagasikara. Mifameno amin’izany ny fampiroboroboana ny toekarena maitso, toy ny seha-pihariana volobe Nankalazaina omaly, ny Andro manerantany ho an’ny volobe. Nitarika ny fotoana, ny minisitry ny Tontolo iainana (Medd), i Max Andonirina Fontaine. Lohahe­vitra noraisina ny hoe « Seha-pihariana volobe mahomby […]

Baolina kitra – «Ligue des champions d’Europe»: nomontsanin’ny Bayern ny Dinamo Zagreb

Notanterahina ny talata lasa teo, nanerana an’i Eo­ropa, ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Ligue des champions 2024». Voahaja ny lojika satria tafavoaka ho mpandresy avokoa ireo ekipa goavana. Anisan’ny nisongadina indrindra ny nanamontsanan’ny Bayern de Munich, tamin’ny isa mavesatra 9 no ho […]

Karate-Rezionaly : ligy telo hifaninana

Anatin’ny fiatrehana ny fifaninanana rezionaly avokoa, amin’izao, ireo ligim-paritry ny karate-do malagasy. Ligy 3 indray no hanatanteraka ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly ao amin’ny ligy misy azy avy, ny faran’ity herinandro ity. Ho an’ny ligin’Analamanga, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, no hanaovana ny fifaninanana, ny sabotsy izao, izay ahitana […]

Tenisy : hampiantrano ny “ITF World Tennis Tour Juniors J30” ny Malagasy

Handray lalao iraisam-pirenena goavana ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Hatao eto Madagasikara ny “ITF World Tennis Tour Juniors J30”, hifanandrinan’ireo kalaza, lahy sy vavy, eto Afrika. Hotanterahina eny amin’ny Kianja Club Olym­pique de Tananarive (COT), manomboka ny alatsinainy 23 septambra ho avy izao ny fifaninanana iraisam-pirenena, taranja tenisy, sokajy zandriny […]