Mitohy ny fisokafan’i Madagasikara amin’ireo firenena any ivelany. Fiaraha-miasa matotra indray no tapaka, omaly, teo amin’i Madagasikara sy i Turquie, mahakasika ny tanora sy ny fanatanjahantena. Fantatra taorian’ny fihaonan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Abdulah Marson Moustapha, tamin’ny Ambasadaoron’i Turquie miasa eto Madagasikara, fa ho ataon’i Turquie vaindohan-draharaha […]
Other News
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fifaninanana « Open 2è division Analamanga », taranja Volley ball. Fifaninanana izay nanomboka ny 8 septambra ho solon’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara tokony natao tany Alaotra Mangoro. Raha ny voka-dalao farany voaray, nandresy ny CSA tamin’ny seta 3 no ho 0 ny ASI, raha toa ka […]
Baolina kitra : lasa any Côte d’Ivoire ny coach Rôrô
Hotanterahina, anio sy rahampitso, any Abidjan, renivohitr’i Côte d’Ivoire, ny seminera mahakasika ny baolina kitra. Fihaonana, karakarain’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf) sy ny federasiona ivoarianina, iarahana amin’ireo manam-pahaizana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) sy ny firaisan’ny baolina kitra eoropeanina (UEFA). Manatrika izany ireo mpanazatra, niatrika ny Can 2023 ary ireo teknisianina […]
Kianja Barea Mahamasina : hamboarina amin’ny volana oktobra ny bozaka
Anisan’ny notakian’ny Kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf) ny hanavaozana ny bozaka ao amin’ny kianja Barea Mahamasina. Raha ny tetiandro, hanomboka ny volana ambony io ny asa fanamboarana. Raha tsy misy ny fiovana, amboarina manomboka ny volana oktobra ho avy izao ny bozaka filalaovam-baolina ao amin’ny kianja Barea Mahamasina. Mbola […]
Hanatitra vola ao amin’ny Cecam : mpianaka notafihin’ny jiolahy nitondra basy
Nitrangana fanafihan-jiolahy nitondra basy indray tao Andrefan’Amboasary, fokontany sy kaominina Vinany distrikan’i Mandoto, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao mialoha avy amin’ny sefo fokontany Ampasatokana kaominina ambanivohitr’i Vinany, distrikan’i Mandoto ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ankazomiriotra fa nisy jiolahy roa nanafika tao amin’io fokontany io, afakomaly maraina tamin’ny 8 ora. Mpianatra ireto niharan’ny […]






