Tanterahina nanomboka omaly hatramin’ny 14 septambra 2024, ao Taolagnaro sy Toliara, ny fiofanana momba ny tetibola ara-pandaharanasa sy ny «Comptabilité des matières». Tomponandraikitra avy amina kaominina miisa 134, avy ao amin’ny faritra Androy sy Anosy ary Atsimo Andrefana no misitraka izany fiofanana izany. Ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajarina ny […]
Other News
Fiatrehana ny loza voajanahary: miara-miasa i Madagasikara sy i Seychelles
Noraisin’ny Talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy, Rakotomalala Herizo, tetsy Anosy, omaly, ny tale jeneralin’ny BNGRC, miaraka amin’ ny delegasiona anatin’ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny loza voajanahary eo anivon’ny minisiteran’ ny Atitany ao Seychelles. Tanjon’izao fihaonana izao ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifampizarana fahaiza-manao ary traikefa eo amin’i Madagasikara […]
Minisitry ny Fitsarana: “Mila aseho ny vahoaka fa miezaka manadio ny fitsarana ny minisitera”
Mitohy hatrany ny ezaka samihafa ataon’ny tomponandraikitra misahana ny eo anivon’ny fitsarana, amin’ny fametrahana fitsarana mangarahara sy tsara tantana, lavitry ny kolikoly. Tanterahina nanomboka ny 10 hatramin’ny 13 septambra 2024, eny amin’ ny ENMG Tsaralalàna, ny atrikasa momba ny fanombanana sy fanadihadiana ny rafitra sy ny fomba fiasa ao amin’ny […]
Ravalomanana Marc : “Tena sarotra ny firotsahan-kofidina”
“Ny tiako homarihina: tena sarotra ange izany, tena sarotra… Hasarotina ve ny firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna? Aiza no hahazoantsika tena maneho izany hoe demokrasia sy ny fahalalan’ny olona izany?”. Io ny fijerin’ny filoha mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, teny Isotry, omaly, tamin’ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna eto […]
Ady amin’ny kolikoly : hojerena isan-tsehatra ny paikady
“Tsy ny ambangovangony no horesahina, fa ho jerena tsara hoe: ahoana ny amin’ny fananan-tany, fandriampahalemana, fitsarana… ?”. Hoy ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny atrikasa fakan-kevitra ho an’ny faritanin’Antananarivo amin’ny fandrafetana ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Jerena izay tena maharary ny vahoaka […]






