Other News

Fifanintsanana “Can 2025”: sahirana ny Barea ao amin’ ny vondrona “A”

Ady sahala no azon’ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny andro voalohany sy faharoan’ity fifanintsanana handraisana anjara amin’ny « Can 2025 » ity. Manana isa iray ny Barea, taorian’izay lalao roa natao izay. Notontosaina, omaly, tao amin’ny kianjan’ny Ha­madi Aguerbi Rades Tunisie, ny andro faharoan’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025”, izay hatao […]

Distrikan’i Manandriana : dahalo maty voatifitra

Dahalo mpangalatra omby maty voatifitry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Mahasoa II, kaominina Ambovombe Centre, distrika Manandriana, afakomaly. Nanafika mpiompy omby tao amin’io fokontany io ny olon-dratsy miisa fito. Nahare ny fisian’io tranga io, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Namoaka basy ary nanambana ny iray tamin’ireo jiolahy. […]

Rio Tinto QMM : nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra

Nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra 258 ao amin’ny kaominina valo, ao amin’ny disitrikan’i Tolagnaro, omaly, ny Rio Tinto QMM. Nandritra ny taona maro, nandray andraikitra tamin’ny alalan’ny fa­na­ovana hetsika maro ny Rio Tinto QMM mba hanatsarana ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana misy eto amin’ny Nosy. Mba hanenana ny […]

Fandraharahana: tokony hifanakalo hevitra ny mpandraharaha

“Tanàn-dehibe manan-karena orinasa Antsirabe, saingy marary ny orinasa ary marefo ny toekaren’ny faritra. Vahaolana ny fiaraha-mientana, ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo samy mpandraharaha”, hoy ny filohan’ny Fivondronan’ny orinasan’i Vakinankaratra (Fiova), Ra­marojaona Andrianjafy, nandritra ny fanokafana ny hetsika «Vitrine du Vakinanka­ratra» andiany faha-26, ny herinandro teo. Mitondra lohahevitra amin’izao hetsika izao ny […]

Fivoriambe Africa 50: laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa

Hotanterahina ny 19 septambra, eto Antananarivo, ny fivoriambe Africa 50 izay handraisan’ireo tomponandraiki-panjakana anjara sy mpamatsy vola samihafa. Laharam-pahamehan’ny Africa 50 ny fametrahana fotodrafitrasa aty Africa. Sehatra iray lehibe sy fitaovana fampiharana vaovao ho an’ny fampandrosoana sy famatsiam-bolan’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Ifantohan’ny Arica 50 manokana ny sehatry […]