Other News

Jirama Mahajanga: nitondrana vahaolana amin’ny jiro sy rano

Anisan’ny iharan’ny fahatapahan-jiro sy ny tsy fahampian-drano ny tanànan’i Mahajanga. Nahatonga ny fidinan’ny tale jeneraly (DG) ny Jirama, Ron Weiss, tany an-toerana, ny volana aogositra teo izany. Ho fanatanterahana ny tetikasa hanatsarana ny famatsiana herinaratra sy rano any an-toerana. Tontosa ny ampahany amin’izany, ny fampiakarana ny tanjaky ny herinaratra 5KV […]

Fampiroboroboana ny toekarena manga: hiara-hiasa i Madagasikara sy ny OPJEB

Hitondra tombontsoa betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga sy hipaka mivantana amin’ny tanora ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Vondron’ny tanora Panafricaine ho an’ny toekarena manga (OPJEB) . Vita sonia ny zoma teo, nandritra ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny toekarena manga (JNEB) andiany faharoa, tany Toamasina, ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny […]

Rugby-« XXL Top 12 »: tsy nahovoka teo anatrehan’ ny FTM ny TFMA

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahadimy, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Niondrika teo anatrehan’ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 56 no ho 25, ny TFMA An­kasina. Anisan’ny lalao tena nandrasan’ny maro ity fifanandrinan’ny roa tonta ity, saingy efa nampoizin’ireo mpanaraka […]

Karate-Afrika: Afa-panadinana ireo Malagasy mpitsara 3 vavy

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny delegasiona malagasy, miatrika ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika U21, any Tunisie, ny fiatrehan’ireo Malagasy mpitsara, ny fanadinana amin’ny maha mpitsara azy ireo. 3 mirahavavy izy ireo no niatrika izany, izay samy afaka daholo. Anisan’izany, ny Sensei Raboanarijaona Voahirana, tepana mainty, 4e Dan, no sady filoha […]

DAKA AN-JORONY : Ny mitandrim-pamindra tsy mba lavo

Ilaina hatrany ny fahamailoana amin’ny fiainana. Tsy mifanalavitra amin’izany ny amin’ny fanatanjahantena. Mbola mavesatra amin’ny mpitia baolina kitra rehetra na ny teto Madagasikara na ny tany ampitan-dranomasina, indrindra ho an’ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, ny segondra farany naharesy azy ireo, nanoloana ny Voromaherin’i Carthage an’i Tunisie, farany teo. Ny mahery […]