Anisan’ny iharan’ny fahatapahan-jiro sy ny tsy fahampian-drano ny tanànan’i Mahajanga. Nahatonga ny fidinan’ny tale jeneraly (DG) ny Jirama, Ron Weiss, tany an-toerana, ny volana aogositra teo izany. Ho fanatanterahana ny tetikasa hanatsarana ny famatsiana herinaratra sy rano any an-toerana. Tontosa ny ampahany amin’izany, ny fampiakarana ny tanjaky ny herinaratra 5KV ho 20 KV. Voalohany misitraka ireo ny tanàna eny Mangarivotra, La Corniche, Antsahavaky, hopitaly Manara-penitra ary Mahavoky.
Etsy ankilany, am-perinasa ny teknisianina malagasy sy vahiny matihanina amin’ny fametrahana milina mpamokatra herinaratra roa vaovao, hampitomboina ny vokatra.
Momba ny famatsian-drano, nanomboka ny 6 septambra teo ny asa fanitarana ny fantsona mpamatsy rano. Miainga eo amin’ny garan’Andranotakatra mankany amin’ny sinibendranon’i Mangatokana, izay mihoatra ny 7,5 km. Eo koa ny tetikasa faharoa, tohanan’ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy fidiovana (MEAH), mahatratra 13 km, manomboka any Mahavelona hatrany amin’ny sinibendranon’Antanimalandy.
Njaka A.




