Mahafeno ny fepetra amin’ny fampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga i Toamasina, noho izy manana ny ranomasimbe Indianina sy ny lakandranon’i Pangalana mirefy 647km. Tombony ho an’ny faritra Atsinanana ny fananany ny seranan-tsambo lehibe indrindra izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mampidi-bola sy mamelona tokantrano maro ihany koa […]
Other News
« Salon de l’auto » 2024 : Zava-baovao ny fiara mandeha amin’ny herinaratra
Hatao ny 10 hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao ny hetsika « Salon de l’auto 2024 ». Hiavaka amin’ity andiany faha-14 ity ny fisian’ireo fiara elektrika, izany hoe, mandeha amin’ny herinaratra, manaja ny tontolo iainana. Mikarakara ny hetsika eny amin’ny CCI Ivato ny Vondron’ny mpandraharaha mpanafatra fiara eto Madagasikara (GCAM). Nasongadin’ny filohany, […]
Habibiana : lehilahy iray nanolana an-janany
Habibiana ! Izay no azo ilazana ny fihetsika nataon’ny raim-pianakaviana iray 41 taona tamin-janany naterany vao 8 taona monja teny Ambohijanaka, ny herinandro teo. Vitany ny nanolana io zanany naterany io ary efa fanaony izany. Tamin’ny alalan’ny fitoriana nataon’ny vadin’ity raim-pianakaviana ity no nahafahana nanenjika azy. Vao nahafantatra io fitoriana nataom-badiny […]
Raharaha Box Miami: Pasitora iray afaka noho ny fisalasalana
Ny talata 3 septambra teo, nivoaka tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny didim-pitsarana mahakasika ny fisolokiana sy fakana vola tsy ara-drariny aman’olona, izay anenjehana ny mpiasan’ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina sasantsasany. Naka vola tamina mpandraharaha mitotaly 85 tapitrisa Ariary, ho tambin’ny fanomezana anjara toerana hahazo Box ao Miami […]
TARATRY ny KANTO
« Andeha hidera azy ». Tanterahina rahampitso, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana, iarahana amin’ny antokom-pihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny tarika izy ity, handrenesana ireo hira nankafizana sy nahafantarana ny tarika hatramin’izay. Rahampitso tolakandro, eny amin’ny CCEsca Antanimena, no hanatontosana ny fampisehoana […]






