Nanaovana tombana tamin’ny asa vitany avy ireo minisitra teo aloha izay nanao fianianana. Inona no vita ary inona no tsy vita sy antenaina fa ho vita? Miankina amin’izay ny ho tohin’ny raharaha amin’izao, ny tantana sy ny tantara. Hanao ahoana? Mandra-pitrangan’izay hitranga, manao tombana ho azy koa ny vahoaka […]
Other News
Fiaraha-miasan’i Chine sy Madagasikara: hanohana ireo tetikasan’ny fitondrana ny filoha Xi Jinping
Mitohy hatrany ny fitadiavana fiaraha-miasa ataon’ny fitondram-panjakana hoentina manatanteraka ny fanamby sy ny vinam-pampandrosoana napetraka. Anisan’ny fahombiazana sahady izay fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana sinoa izay. Tontosa, omaly, ny fihaonana teo amin’ny filohan’ ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, sy ny filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Xi Jinping, izay tafiditra ao anatin’ny […]
TSELATRA
Vehivavy iray hita faty vao maraina teny Antohomadinika Atsimo, omaly. Raha ny fahitana ny razana teny an-toerana, tsy misy akanjo intsony ny tapany ambany. Ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa naolana izy mialoha ny namonoan’ireo olon-dratsy azy. Andrasana ny tohin’ny famotorana. Nilatsahan’ny taribin-jiron’ny Jirama ny […]
Naiditra am-ponja eny Tsiafahy: Tratra ireo jiolahy nanolana sy nanindrona antsy
Aiza ihany ilay fampiharana ilay lalàna momba ny famosirana? Naiditra am-ponja eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly alina, ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’ny famonoana ilay ankizivavy 6 taona hita faty teo akaikin’ny biraon’ny fokontany Belambanana Andoharanofotsy, ny 29 aogositra 2024 teo. Ny zandary avy ao amin’ ny tobim-paritra […]
Fenoarivo : lehilahy iray maty an-drano
Hatairana ny an’ireo olona teny amin’ny Digue hihazo an’i Fenoarivo Alakamisy, omaly, raha nahita fatin-dehilahy iray tao anaty rano. Olona handeha hiasa vao maraina no nahita azy ka nampandre ny zandary. Nilaza ireo olona nahita ny razana fa tsy mponina eny an-toerana ity lehilahy ity. Tsy fantatra kosa hatreto izay […]






