Nitondra fanazavana mahakasika ny fitantanana nandritra ny naha tale jeneraly azy teo aloha tao amin’ny Madagascar Airlines, i Thierry de Bailleul, omaly. Nampahafantarany fa vitany ny nanarina ny kaompania nandritra ny 21 volana tamin’ny alalan’ny drafitrasa Phénix 2030. Nokianiny tao anatin’izay ny tsy fietezan’ny rafi-pitantanana nataon’ireo tomponandraikitra samihafa. Nasongadiny fa […]
Other News
Tsarakofafa Toamasina : Nomena tany 250 m2 isan-tokantrano ny mponina
Nitohy ny 9 mey teo, tao amin’ny Pact Ambodimanga, ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, sy ny fokonolona. Nifantoka tamin’ny fipetrahana tsy ara-dalàna ny tanin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina, ao amin’ny Port Sec faharoa sy ny Port Sec fahatelo, any Tsarakofafa, ny fotoana. Vahaolana sady marimaritra niraisana […]
Airtel Africa : Maherin’ny 6,4 miliara dolara ny vola nokirakiraina ny taona 2026
Nahatratra 183,5 tapitrisa ny isan’ny mpanjifan’ny Airtel Africa, tamin’ny taom-piasana nifarana ny marsa 2026 teo. Nahatratra 10,5 % io fitomboana io, betsaka indrindra hatramin’izay. Nitombo 14,8% ny isan’ny mpanjifa nisitraka ny tolotra Airtel, niisa 84,2 tapitrisa. Niakatra 49,5% ny mpampiasa finday, raha 4,7% tamin’ny taom-piasana teo aloha. Tafakatra 8,9 Go […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry hisahana andraikitra eo anivon’ny Frankofonia (OIF), Razanamahasoa Christine. Asa ho sahaniny ny fisoloan-tenan’i Madagasikara eo anivon’ny Sherpa. Manomana sy manaraka ireo antontan-taratasy eo amin’ny lafiny politika sy ny diplaomasia ary koa ny momba ny stratejia eo anivon’ny Frankofonia. Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny vovonana NGPM, tamin’ny alalan’ny […]
Madagasikara-Rosia : Manamafy hatrany ny fiaraha-miasa
Tanterahina anio, eny amin’ny biraon’ny masoivoho rosianina, eny Analamahitsy, ny fankalazana ny faha-81 taona nahazoana ny fandresena tamin’ny ady lehibe faharoa. Lanonana izay notarihin’ny mpiraikidraharaha, mpisolo toerana, Alexei Buriak mivady. Nasongadiny nandritra ny lahateny izay nataony, fa nitondra ny anjara birikiny lehibe tamin’ny ady ny fireneny, nanoherana ny fasisma. Nambarany […]






