FANTINA sy FINTINA

Voatendry hisahana andraikitra eo anivon’ny Frankofonia (OIF), Razanamahasoa Christine. Asa ho sahaniny ny fisoloan-tenan’i Madagasikara eo anivon’ny Sherpa. Manomana sy manaraka ireo antontan-taratasy eo amin’ny lafiny politika sy ny diplaomasia ary koa ny momba ny stratejia eo anivon’ny Frankofonia.

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny vovonana NGPM, tamin’ny alalan’ny mpikambana, Rajaonarivelo Ravoniaina. Anisan’ny nambarany ny tokony hitandreman’ny tanora. « Mila mitandrina isika fa tena mora zarazaraina ary matetika sokajian’ny olona ho mpikarama an’ady », hoy izy.

Namaly ny resabe ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, momba ny fitazonana am-ponja an’i Rinah Rakotomanga. Nambarany fa mitsinjo hatrany ny fahasalaman’ny voafonja ny fitsarana. « Diso ny filazana fa tsy nahazo alalana hitsabo tena io mpanao politika io », hoy izy.  Tsiahivina fa nitsidika ity voafonja ity ny iraky ny Sadc mandalo eto Madagasikara.

Nandray ny asany ny PDS ao amin’ny kaominina Manjakandriana, ny Jly Rajaonarivony Alexandre, omaly. Miara-miasa aminy amin’izany ireo filoha lefitra miisa efatra mianadahy. Anisan’ny asa noraisiny voalohany sy nojereny, tamin’izany, ny momba ny fisoratana anarana « biométrique ».

Partager sur: