Notolorana fitaovana entina hiarovana ny ala sy hiatrehana ny afo, ny herinandro lasa teo, ny Vondrona olona fotony (VOI) any amin’ny kaominina Manakambahiny Atsinanana, distrika Ambatondrazaka. Tohana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena, Conservation International (CI), mitantana ny Tandavanala Ankeniheny-Zahamena (Caz). Manohana ny hetsika ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana […]
Other News
Jirama : ahitana lohahevitra 4 ny drafi-panarenana
Nihaona ny zoma 30 aogositra teo, teny Ampandrianomby, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, niaraka tamin’ny teknisiana miara-miasa aminy, andaniny, sy ny tomponandraikitry ny Jirama, notarihin’ny tale jeneraly (DG), Ron Weiss. Fivoriana nampahafantarana ny paikady entina hanarenana ny orinasa Jirama. Miompana amin’ny lohahevitra lehibe efatra […]
Famokarana : sakafon-trondro tsara ny olitra lalitra
Mila manaraka ny fenitra ilaina ny fiompiana trondro. Singanina amin’izany ny lafiny sakafony, raha te hanana vokatra tsara fitombo sady tsara kalitao. Tsy maintsy mamokatra na manana sakafo sahaza sy manaram-penitra ny mpiompy trondro. Mamokatra olitra avy amin’ny lalitra mainty, antsoina hoe «Black Soldier Flies» (BSF), ny orinasa Omniverdi, any […]
Lalana any Toamasina : vita ny 25% ny asa amin’ny « voie rapide »
Hampihena ny fitohanan’ny kamiao any Toamasina ny arabe « voie rapide » hatao any Toamasina mivoaka any amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Vinavinaina ho vita amin’ny mey 2026 ny asa. Mirefy 9,6 km ny arabe «voie rapide» hamboarina, miainga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ary mivoaka any amin’ny lalam-pirenena RN 2. Nitsidika […]
Rugby “XXL Top 12”: sarotra ho an’ny Tam ny mandresy ny TFA Anatihazo
Nitohy omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, “XXL Top 12”, Federaly I. Manomboka miverina amin’ny heriny ny TFA Anatihazo, izay nandresy ny Tam Anosibe, tamin’ny isa 35 no ho 31. Fihaonana tena nandrasan’ny maro teny an-toerana ity. Raha hiverenana ny fifanandrinana teny […]






