Other News

TARATRY ny KANTO

Namoaka fanambarana tao anaty tambajotran-tserasera ny orinasa mpamokatra horonantsary, Ny Avoko Production, omaly, fa tsy nodimandry i Babiche, mpilalao horonantsary ao amin’izy ireo. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo hatrany, manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ity vehivavy ity. Nifarana omaly, tany Nosy Be, ny “ Nosy Be Symphonies” andiany faha-9. Teny […]

« Antanin’art enina » : anjaran’ny mpiangaly « Slam » indray izao

Tontosa omaly, teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny Slam Sauvage, tao anatin’ny “Antanin’art enina”. Hetsika ara-javakanto, tanterahina isaky ny alahady eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Ny Slam indray no nandravaka ny sehatra teny an-toerana, tamin’ny andron’ny omaly. Misokatra ho an’ny rehetra izy ity, natao hampiroboroboana ny zavakanto, indrindra ny literatiora am-bava, mahaliana ny tanora […]

Horonantsary fanadihadiana : misongadina aty Afrika i Felana Rajaonarivelo

Anisan’ireo Malagasy mpanatontosa sarimihetsika i Felana Rajaonarivelo. Niantoka izany fisongadinany izany ny horonantsary fanadihadiana “Debout!”. Handray anjara amin’ny “11 ème Emergence Film Festival” ao Lomé, Togo, tanterahina ny volana novambra izao, i Felana Rajaonarivelo, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika sy mpaka saripika. Amin’ny alalan’ilay horonantsary fanadihadiana notontosainy, nampitondrainy ny lohateny hoe “Debout!” […]

Asa fibatana entana: vanim-potoana tsy fisian’ny asa izao

Volana tsy mampisy ny asa fibatana entana ny volana aogositra hatra­min’ny oktobra, araka ny namba­ran’ireo mpibata entana eny Ano­sibe. Miverina mi­habetsaka kosa izany manomboka ny volana novambra hatramin’ny janoary, noho ny fiakaran’ny voankazo maro samihafa. Mibata entana eny amin’ ny tsenan’Anosibe no asan-dRakotoniaina Bruno. 5 taona izay no nanaovany ity […]