Manodidina ny 10 000 isan-taona ireo ankizy afa-panadinana bakalorea. Sarotra ho an’izy ireny ny misafidy ny lalam-piofanana arahina eny amin’ny ambaratonga ambony eto an-toerana. Anisany be mpisafidy ny mahakasika ny Informatika sy ny Asa sosialy. Lalam-piofanana voalohany anisan’ny mahasarika tanora maro eto Madagasikara ny tontolon’ny informatika. Mora ahitana asa sy betsaka tolotrasa […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Nanamafy ny maha kandidà an’i Madagasikara ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nanentana sy niantso ny fanohanan’ireo firenena afrikanina, indrindra ny eo anivon’ny firenena Sadc miatrika ny fivoriana eo amin’i Japon sy Afrika (Ticad), any Tokyo, ny tenany amin’izany. Mahafeno ny fepetra ara-teknika takina […]
Tim Eoropa: miantso an-dRavalomanana Marc tsy hihemotra
Nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ny eo anivon’ny Tim any Eoropa. Nambaran’izy ireo fa fanantenana lehibe ho an’ny Malagasy izany ary efa voaporofo tamin’ny fahaiza-mitantana ny Renivohitra sy i Madagasikara fony nisahanany izany andraikitra lehibe izany. “Miangavy anao izahay mba tsy hihemotra intsony na inona […]
Tsy efan’ny irery
Mitohy ny ezaka diplomatika ataon’i Madagasikara! Manomboka ny fametrahana ambasadaoro malagasy any ivelany. Nisantatra izany i Maraoka sy Etazonia. Noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, izany. Manaporofo fa manao ady sisika goavana ny Malagasy amin’ny fametrahana ny toerany amin’ny tokony hisy azy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miandry ny fankatoavana avy […]
Rabary Paul: “Mahavelombolo ny fanendrena PDS”
Am-perinasa tanteraka ny filohan’ny delegasiona manokan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Mitondra ny heviny, Rabary Paul, mpandinika fiarahamonina. «Mahavelombolo: maninona no Ramanantsoa Harilala no PDS? Satria olona azo lazaina hoe tafita teo amin’ny fiainana, teo amn’ny fikirizana eo amin’ny lafiny fandraharahana, ary manana hevitra be dia be izay tsy mbola nisy nanao […]






