Nanomboka, omaly, ary hotohizana hatramin’ny 8 septambra izao, eny amin’ny Parvis Hôtel de Ville Analakely ny andiany fahatelo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Parkour. Hifanindry an-dalana amin’izany ny andro olympika, izay hatao eny Analakely ihany koa, ny 31 aogositra sy 1 septambra. Hatolotra amin’io fotoana io ireo atleta malagasy […]
Other News
“Tournoi de Capricorne” : vonona tsara ny COSTM
Hanomboka, anio, any Toliara, ny fifaninanana “Tournoi de Capricorne”, taranja Judo. Anisan’ny klioba mandray anjara, ny COSTM izay klioba matanjaka any Toliara. Vonona tsara ary efa ela nanomanana ireo mpikatroka eo anivon’ny ity klioba ity, araka ny nambaran’ny filohany. Mpikatroka manomboka amin’ny sokajy Poussins hatramin’ny Seniors, 31 mianadahy no misolo […]
Tsipy kanetibe – «Masters 2024»: tsy manao «Final four» ny ekipa malagasy
Ratsy ny vokatra azon’ny ekipam-pirenena malagasy, tamin’ny “Masters 2024” taranja tsipy kanetibe. Resy in-telo teo amin’ny dingana fahatelo izy ireo. Vokany, tsy tafiditra ao anatin’ireo ekipa efatra hiatrika ny “Final Four”. Tapitra teo amin’ny dingana fahatelo ny lalan’ny ekipam-pirenena malagasy, eo amin’ny fiadiana ny “Masters 2024”, taranja tsipy kanetibe ho […]
Fiaraha-miasa amin’i Emirats Arabes Unis; ho avy ny sidina hampitohy an’i Dubai sy Ivato
Hihamafy sy hihatsara hatrany ny fiaraha-miasa. Nandray ny masoivoho vaovaon’ny fanjakan’i Emirats Arabo mitambatra (EAU), ny Dr Salim Ibrahim Bin Ahmed Mohamed Alnaqbi, ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, Andriantsitohaina Naina, afakomaly, tetsy Anosy. Voaresaka tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta sy ny hanamafisana izany hatrany. […]
Fikarakarana ny fifidianana : Nidera ny Ceni ny mpitarika ny Tim, Ravalomanana
Nidera sy nankasitraka ny eo anivon’ny Ceni ny filoha nasionalin’ny Tim sady kandidà ben’ny Tanàna, Ravalomanana Marc, omaly teny Alarobia. “Tena zava-dehibe ary ilaina ny sehatra ifanakalozan-kevitra nokarakarainareo tahaka izao. Vonona handray anjara feno amin’ny fifidianana izahay avy amin’ny fanoherana”, hoy izy. Na izany aza, notakiany ny fandraisana andraikitry ny […]






