Notanterahina, omaly, ny famindram-pahefana teo amin’ny PDS teo aloha amin’ny alalan’ny sekretera jeneralin’ny CUA sy ny PDS vaovao, Ramanantsoa Herilala. Natsidiny tamin’izany ireo asa hosahaniny, manomboka eto. Nambarany tamin’izany fa mitantana ny fampandehanan-draharaha eto Antananarivo Renivohitra ny tenany ary miatrika ny filan’ny mponina. “Anisan’ny asa miandry ny fako, ny fandriampahalemana […]
Other News
Fifidianana ben’ny tanana: Fotoana hanehoan’ny vahoaka ny fahefany
Dingana iray lehibe no vitan’ny Vaomiera manokana misahana ny fifidianana, omaly. Ambohipihaonan’ny mpisehatra rehetra izany. Samy nanao rodobe na ny mpitondra na ny mpanohitra. “Aoka tsy hohamaivanina ny fifidianana ben’ny Tanàna. Amin’ny maha fifidianana manakaiky vahoaka azy, fotoana hanomezana vahana ny olom-pirenena handray anjara mivantana amin’ny fitantanana sy ny fampandrosoana […]
Miadana Fabien Privat : «Manana lanja politika ny fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo»
Hanao ahoana ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra? Mahabe resaka ny sasany eo amin’ny tontolo politika… Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny fiatrehana fifidianana kaominaly? Miadana Fabien Privat (-): Raha ny Ceni, […]
TARATRY ny KANTO
Manome tolotra tetikasa ho an’izay vonona ny Goethe-Zentrum/Cercle Germano-Malagasy. Natokana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny «slam» izy ity. Mitady mpiara-miasa amin’ny fanatontosana fifaninanam-pirenena ho an’ny «slam» ny Cercle Germano-Malagasy. Mpikarakara hetsika, na fikambanana efa nanao izany, ka manana traikefa 5 taona no entanina handray anjara. Ho any Mahajanga hanatanteraka […]
«Festival Temps Fort Danse» : tanjona ny hampiroboroboana ny soradihy
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny «Festival Temps Fort Danse», andiany faharoa. Hetsika natao hampiraisana ny tontolon’ny dihy eto Madagasikara izy ity, karakarain’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely sy ireo mpisehatra eo amin’ny dihy eto an-toerana. Fifaninanana, atrikasa, fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao no handravaka ny fotoana rehetra. Ankoatra ireo, […]






