Other News

Boky «Feux, Fièvres, Forets»: ho tonga eto Madagasikara

Tanterahina ny 22 aogositra 2024, eny amin’ny trano fivarotam-boky Il était une fois Ankorondrano, ny fampahafantarana ny boky « Feux, Fièvres, Forets », nosoratan’i Marie Ranjanoro. Fiaraha-miasa eo amin’ity trano fivarotam-boky ity sy i Marie Ranjanoro no nanaovana izao hetsika izao. Tanjona ny hampahafantatra misimisy kokoa ny boky amin’ny mpankafy vaky boky, […]

Fitetezam-paritra 2025: mitady mpanakanto ny Alliance française

Hatramin’izao, mbola mandray anjara goavana amin’ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny zavakanto any amin’ireo firenena misy azy ny Alliance française. Iray amin’ireny ny eto Madagasikara… Manomana sahady ny taom-pampisehoana 2025 ny tambajotran’ ny Alliance française eto Mada­gasikara. Toy ny isan-taona, hisy indray amin’ity ny fihai­kana ireo mpanakanto, maniry […]

Tetikasa Tafita Jica : nampitombo ny fahaizan’ny ankizy eo amin’ny taranja kajy sy ny vakiteny

Anisan’ny tetikasa iray nampitombo ny lentam-pahaizan’ny zaza malagasy ny va­ki­teny sy ny kajy ny tetikasa «Tafita Jica». Nanampy betsaka izany ny fisian’ny ora fanarenana ive­lan’ny fianarana. Niroso tamin’ny dinika voalohany mahakasika ny tetikasa « Tafita Jica phase III » ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men) sy ny Jica, omaly. Tonga nanatrika izany […]

FANTINA sy FINTINA

Navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, afakomaly, ny didim-panjakana N° 2024-1493 miantso ny mpifidy hanatanteraka ny fifidianana kaominaly sy monisipaly amin’ny 11 desambra, hanomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva. Ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny 15 mey 2024 no hampiasaina ary ny kara-pifidianana farany teo. “Nanao ny tokony ho nataony ny fanjakana […]

Ceni : “Mila miomana ny mpirotsaka hofidina”

“Entanina ny kandidà hiomana avy hatrany. Tsy hiandry ny fotoana farany hahazoana mameno na manao fanitsiana, raha misy tokony hanaovana izany”, hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny fifidianana kaominaly. Tsiahivina fa atao dika efatra mitovy ny dosie ilaina ho an’ny lisitra kandidà. […]