Other News

TSELATRA

Lehilahy iray (40 taona) hita faty tao anaty dobon-trondro iray tetsy Fenoarivo, ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 10 ora alina. Lehilahy lehibe iray no henon’ny olona nikotaba sy niteniteny irery tao ivelan’ny tanàna talohan’io. Nampilazaina ny zandary ary hita tao anaty dobo fiompiana trondro iray ny fatiny. Tombanana ho sempotry […]

Ramatoa voarasa antsy teo amin’ny tendany : Olona telo naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny Fitsarana, ny zoma lasa teo, ny raharaha momba ny renim-pianakaviana iray voarasa antsy tany Ma­havoky Avaratra, kaominina Mahajanga. Olona miisa telo no voasambotry ny polisim-pirenena ary naiditra vonjimaika am-ponja, taorian’izay. Ani­san’izany ny zana-drahavavin’ilay niharam-boina, izay tompon’antoka tamin’io vono olona io. Novonoina tamin’ny antsy sy vakina tavoahangy […]

Anjanahary : Lohan-jaza hita tao anaty gony

Nahitana fatin-jazakely indray tetsy Anjanahary, omaly maraina. Olona handeha maraina no nahatsikaritra zavatra efa notarihin’ny alika teny amin’ny manodidina. Rehefa nojerena, lohan-jaza iray sy ny tanany ilany, niaraka tamin’ny gony, no hitan’ny fokonolona. Heverina ho efa lanin’ny alika ny tapany ambanin’io zaza io, raha ny fanazavana voaray. Nataon’ny tsy mataho-tody […]

Nieren-doza ny iray tamin’ireo kambana: Telo mianaka niara-matin’ny lozam-pifamoivoizana

Nifandona teny amin’ny Digue mihazo an’Ambohitrimanjaka ny kamiao sy fiara 4*4 iray, tamin’ny sabotsy. Maty teny amin’ny hopitaly ny telo mianaka. Nivoaka ny hopitaly, nieren-doza kosa ny zaza iray telo taona. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Digue Ambohitrimanjaka, ny sa­botsy lasa teo, tokony ho ta­min’ny 5 ora hariva. Olona […]