TSELATRA

Lehilahy iray (40 taona) hita faty tao anaty dobon-trondro iray tetsy Fenoarivo, ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 10 ora alina. Lehilahy lehibe iray no henon’ny olona nikotaba sy niteniteny irery tao ivelan’ny tanàna talohan’io. Nampilazaina ny zandary ary hita tao anaty dobo fiompiana trondro iray ny fatiny. Tombanana ho sempotry ny rano ny nahafaty azy.
Tovolahy iray 19 taona voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Fip, ny marain’ny 4 Avrily lasa teo, tamin’ny 2 ora maraina, tany Madiotsifafana Ambaton­drazaka. Voarohirohy tamin’ny halatra niharo vono olona, ny marainan’ny 03 avrily 2026 izy. Novakiny ny tsena fivarotana zava-pisotro iray ary notapahiny tamin’ny antsy ny tendan’ny ramatoa 60 taona tompon-trano. Tratra niaraka tamin’ireo entana halatra izy.
Olona miisa dimy nandeha lakana, maty natelin’ny ranomasina tany Toliara, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Avy ao Toliara, nikasa hihazo an’i Solara Atsimo, izy ireo no niharan-doza. Rendrika teny afovoan’ny ranomasina ny lakana nitondra azy ireo, antony nahatonga ny loza. Nahery vaika ny onja sy ny rivotra teny an-dranomasina. Natao ny fikarohana ka efa hita ny razana efatra. Mbola karohina ny iray.
Zaza iray avotra rehefa latsaka tao anaty lavadrano iray, tany Andranomanelatra Antsirabe, oma­ly. Nandeha nitsangantsangana teny an-toerana izy io sy ny ray aman-dreniny. Nilalao ilay zaza ary latsaka tao anaty lavadrano. Natao ny fikarohana sy ny fisintomana azy tao ary avotra soamantsara. Nandray ny andraikitra mahakasika izany ny zandary sy ny polisy ao Vaki­nankaratra.

Partager sur: