Other News

Kitra – D2 Nasionaly : tanjon’ny AS St Anne ny hiakatra PFL

Hanainga anio, hihazo an’i Vohémar, ny tompondakan’ny ligin’Analamanga 2024, AS St Anne. Hiatrika ny dingana voalohan’ny fifaninanana diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions” izy ireo, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Manana tanjona goavana ity klioba ity, ary fanamby apetrak’izy ireo ny hiakatra amin’ny fifaninanam-pirenena […]

Antsohihy: hamokatra tantely 12 taonina isan-taona

Mitohy ny fampiroboroboana ny taninketsa indostrialy amin’ny alalan’ny tetikasa « One District One Factory » (Odof). Nisitraka izany, ny alahady teo, ny distrikan’An­tsohihy. Hanodina tantely 100 litatra isan’ora sy hamokatra hatrany amin’ny 12 taonina isan-taona ny milina ao an-toerana. Hanatsara ny vokatr’ireo tantsaha ka hahatonga azy ireo hamokatra ny fahazoana ny ozinina. […]

Filana andavanandro: tafakatra 900 Ar ny vidin’atody eny amin’ny mpaninjara

Mahatratra hatrany amin’ny 900Ar ny vidin’atody eny an-tsena, amin’izao fotoana izao. Tsikaritra izany nanomboka ny volana jona teo. Ankehitriny, manomboka ny 750 ka hatramin’ny 900Ar ny vidin’izany. « Ireo atody madinika no mora vidy raha oharina amin’ireo vaventy », hoy Rasoa, mpivarotra eny Ana­lamahitsy. Mihena ny mpanjifa, voatery mampihena ny entana alaina […]

Soavinandriana: Karatany 3 072 sy titra 200 voazara

Natao ny zoma teo ny fizarana karatany sy titra faobe ao amin’ny faritra Itasy, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière, (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Miisa 3 072 ireo karatany […]