Other News

Loholona Tsiebo Mahaleo : “Minisitra maharaka ny hazakazaka fampandrosoana”

“Mazava ny tenin’ny filo­han’ny Repoblika, Andry Rajoelina: ny fifidianana sy fitondrana olona ho mpikamban’ny governemanta dia olona maharaka ny diany sy ny hazakazaka fampandrosoana.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholohan’i Madagasikara, i Tsiebo Mahaleo Richard Victor, momba ny fanendrena minisitra amin’ny fandrafetana ny governemanta vaovao amin’izao. Tsy misy kinamanamana izany; tsy […]

Miandry ny mpamono baolina

  Anatin’ny famitana ny lisitr’ireo olona hisafidianana ho minisitra ny tomponandraikitra ho amin’izany. Efa sasa-miandry ny mangataka toerana, indrindra ireo mpanohana mahafatrapo, mitady valimbabena.  Samy manao izay ho afany amin’ny fanohanana sy ny fitadiavana lalana ny mpiara-mitolona. Tsy maintsy mitady olona azo itokisana sy afaka ny hanotona ny angovony 100% […]

Filoha Rajoelina teny Ivato: «Laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly »

Vaindohan-draharaha amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa eny anivon’ny seranam-piaramanidina ny ady amin’ny kolikoly, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena. Maro kosa ireo vina hotanterahina aorian’izay. Tontosa, omaly, ny fidinana ifotony nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Niara-dalana taminy, nandritra izany, ireo tomponandraiki-panjakana maro, anisan’izany ireo minisitra. Anton’izao fidinana ifotony […]

FANTINA sy FINTINA

Fiara iray no nivoaka ny lalana teny Digue Andohatapenaka, omaly. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa nahatonga ny loza. Tsy nisy kosa ny aina nafoy fa olona iray naratra voafaokan’ilay fiara. Nahitana fahasimbana kosa ilay fiara vokatry ny dona mafy.

Bakalorea : mpianatra efatra tratra nangala-tahaka

Vao manomboka ny andro voalohany, mpianatra efatra mianadahy sahady no sarona tamin’ny alalan’ny fampiasana finday mba hangalana tahaka ny laza adina. Iray tao amin’ny ivontoeram-panadinana Ly­cée Jacques Rabemanan­jara Toamasina, afakomaly, raha tao amin’ny ivontoeram-panadinana ao Brickaville kosa ny telo. Tao anatin’ny angom-baovao no nahafan­tarana fa alain’izy ireo sary amin’ny finday […]