“Mety izao hoe efa mitsangana ny Antenimierampirenena vao mametraka governemanta. Heverin’ny antoko Maitso fa tokony ho governemanta politika izy io, na izay manana solontena ao amin’ny Antenimierampirenena no tokony ho minisitra”. Izay ny fanambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara, i Georget Alexandre, ny amin’ny fandrafetana governemanta vaovao amin’izao fe-potoam-piasana […]
Other News
Filankevi-panjakana : raikitra amin’ny 11 desambra ny fifidianana
“Naharay didim-panjakana avy amin’ny Filankevi-panjakana tokoa izahay eto amin’ny Ceni ny amin’ny 11 desambra no hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly izay nahazo ny fankatoavan’ny Filankevi-panjakana fa amin’ny 11 desambra. Ao […]
Namearison Robert : “Miandry ny governemanta sy ny fanajany lalàna momba ny fifidianana isika”
Hanao ahoana ihany ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Dinidinika… I Namearison Robert (-): Mazava ny fizaran-taona sy ny voalazan’ny lalàna hoe hatramin’ny novambra no tokony hanaovana fifidianana. Fotoan’ny fahavaratra ny aorian’izay, ka tsy tokony hisy fifidianana. Aoka samy […]
TARATRY ny KANTO
Hamoaka hira vaovao ry Ndaty Lahy. Anio ny fotoana homen-dry zalahy ireo mpankafy azy, hanolorany vokatra vaovao, ao amin’ny pejy “Facebook”. Tarika mivoy ny World music izay nisolo tena an’i Madagasikara teo amin’ny sokajy hira, nandritra ny Lalaon’ny Frankôfônia tamin’ny 2023, tany Kinshasa izy ireo. Andran-tsira amin’ny rakikira izay ketrehin’ny […]
« Jazz Tohatohabato »: samy hahazo ny anjarany ny mpankafy mozika
Tsy ny mpankafy Jazz ihany no ho hita sy hahazo tombony, mandritra ity “Jazz tohatohabato” ity fa hisy ny hetsika sy sehatra misokatra ho an’ny gadona hafa sy mpankafy. Tanterahina ny 7 hatramin’ny 11 aogositra 2024, amina faritra sy toerana maro samihafa eto Antananarivo ny «Jazz tohatohabato», andiany faha-13. Hetsika […]






