Mibahan-toerana ny tsy fisian’ny asa any Atsimo Andrefana. Anisan’ny manana izany fijery izany i Bokassa, filohan’ny fikambanana Zatovo tsy an’asa any Toliara. « Tsy azoko mihitsy ny zava-misy, mitady fanampiana ara-bola etsy sy eroa ny fanjakana, nefa samy manana ny otrikarenany daholo ny rafitra tsirairay, ary anisan’izany ny tapany atsimon’ny Nosy », […]
Other News
Toamasina : tokony hiverina anio ny herinaratra
Mitohy ny asa fanoloana ireo taribin-jiro may mitatitra ny herinaratra mampitohy ny tobim- pamokarana sy ny foibe fitsinjarana ao Toamasina, omaly. Anisan’ny tena sarotra ny nanesorana ny tariby any ambanin’ny tany hafa izay may ihany koa. Tsy maintsy tapahina ny herinaratra eo am-panatanterahana izany, mba hiarovana ny ain’ny mpiasa. Manara-maso […]
Famarinana olona : mahatratra 150 tapitrisa dolara ny vola mihodina
Manodim-bola hatrany amin’ny 150 tapitrisa dolara isan-taona ny famarinana olona. Tanjona ny hamerenana indray ireo lasibatra eny anivon’ny fiarahamonina. Tafakatra 150 tapitrisa dolara isan-taona ny vola mihodina eo amin’ ny famarinana olona, araka ny tatitra navoakan’ny Unesco USA. Lasibatra ny vehivavy sy ny tovovavy. « Voasokajy ho trangana famarinana olona […]
TARATRY ny KANTO
Nodimandry i Hernan Rivelo… Io ny solon’ anarana nentiny teo amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety, nikirakirany ny vaovaon’ny kolontsaina nandritra ny taona maro. Efa nandalo tao amin’ny gazety Express de Madagascar, ny Hebdo ary ny Madagascar Matin izy. Efa nanoratra tononkira ho an’ny mozika rock ihany koa, raha ny nambaran’ireo namany. Piment […]
“Festival du Film Coréen 2024”: mitohy hatrany ny fampivelarana ny zavakanto koreanina
Tanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Cinepax Ambodivona, ny fankalazana ny « Festival du Film Coréen 2024 ». Ny masoivohon’ny Korea no mikarakara ny hetsika amin’izao iray volan’ny zavakanto sy kolontsaina koreanina izao. Tanjona ny hampivelarana ny zavakanto koreanina, indrindra ny horonantsary. Mandritra ny roa andron’ny fankalazana, horonantsary koreanina samihafa, natao […]






