Rahampitso! Hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena goavana, any Kosovo, ny Ankoay 3×3, sokajy lehilahy. Antananarivo no anarana entin’izy ireo mandritra izany. Lalao roa avy hatrany no ataon’ny Ankoay. Niainga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato hihazo an’i Kosovo, ny ekipa nasionaly malagasy Ankoay. Hiady ny tapakila handehanana any Chine mandritra ny fifaninanana basikety […]
Other News
TSELATRA
Karohina ny tompon’antoka tamin’ny famoizan’aina tovovavy iray hita faty teny amoron’arabe teny Nanisana, afakomaly. Vehivavy 22 taona hita faty nihosin-dra, ahina ho nodomin’ny fiara naterin’ny BMH teny anivon’ny tranom-patin’ny HJRA. Simba vokatry ny dona mafy nahazo azy io tovovavy vao erotrerony io. Andalam-pikarohana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Nitrangana hain-trano […]
Vonoan’olona tao Mahajanga : naiditra am-ponja ireo mpiasa roa
Nidoboka am-ponja vonjimaika, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray sy vehivavy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana renim-pianakaviana iray tao amin’ny Village touristique Mahajanga. Mpiasan’ity renim-pianakaviana 69 taona niharam-boina ity ihany izy roa ireto. Mipetra-drery ao amin’ny fokontany Mahavoky Atsimo izy no nidiran’ireo mpiasany an-keriny tao an-tranony […]
Ambohitrimanjaka: lehilahy iray maty an-drano
Latsaka an-drano tao ambany tetezan’Ambohitrimanjaka ny lehilahy iray, omaly maraina. Olona teny an-toerana no nahita azy nianjera tao ambany tetezana ka nampiantso ny sampana mpamonjy voina avy hatrany. Fotoana fohy taorian’ izay, tonga nanao ny asam-pamonjena tamin’ny alalan’ny fikarohana ilay niharam-boina ny mpamonjy voina. Nanao izay ho afany tamin’ny fikarohana […]
FANTINA sy FINTINA
Nanana soatoavina mifototra amin’ny rariny sy ny fanajana ny zon’olombelona i Nelson Mandela, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nomarihina omaly, ny Andro maneran-tany ahatsiarovana an’io mpitolona tao Afrika Atsimo io. “Nanandratra ny fitoviana sy ny maha olona izy ka tokony ho lesona ho antsika izany”, hoy izy. […]






