Niorina teto Madagasikara ny taona 2014 ny sekoly iraisam-pirenena Vatel, mampiofana manokana mahakasika ny fizahantany sy ny hotely, Business School. Misy hetsika lehibe telo hoentiny hanamarihina izany, ny 20 sy ny 21 septambra 2024 ho avy izao. Hisy fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny fizahantany ara-tontolo iainana eny amin’ny CCI Ivato. Hotokanana […]
Other News
RSE-IDD andiany fahasivy: hamafisina ny fandraisan’andraikitra
Mbola vitsy ny orinasa manome lanja ny andraikitra sosialy raisiny eo amin’ny fiarahamonina (RSE) amin’ny tokony ho izy eto Madagasikara. « Mazana ataon’olona fanararaotra izany hanaovana zavatra hafa na koa manao hetsika tsotra hialana amin’ny adidy izay tokony hosahanina amin’ny fanajana ny lalàna sy ny tontolo iainana », hoy ny […]
SEforALL : fisarihana ny mpampiasa vola amin’ny angovo madio
Hamafisina ny fampiasam-bolan’ny tsy miankina amin’ny sehatry ny angovo. Tanjon’ny governemanta malagasy ny hampitomboana avo roa heny ny fahazoana angovo madio. Natao, omaly, teto Antananarivo, ny atrikasa nokarakarain’ny Sustainable Energy for All (SEfor ALL), iarahana amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH). Tanjona voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) […]
Inate FC Rouge: vonona hanohitra ny Elgeco Plus
Andro iray sisa dia handeha ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 ». Nilaza ny filohan’ny Inate FC Rouge Vakinankaratra, Rakotondramiara Hasina, omaly, teny Ambohimanambola, fa vonona tanteraka ny mpilalaon’ izy ireo ny hifanandrina amin’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany. Nomarihin’izy ireo fa tanjona amin’ity taom-pilalaovana ity ny haka […]
Bisikileta- “Ocean Indien 2024” : hiady mafy amin’ny « course en ligne » i Mohamed Houlder
Ratsy fanombohana ny Malagasy mpihazakazaka am-bisikileta, i Mohamed Houlder, tamin’ity fifaninanana ho an’ny ranomasimbe Indianina ity. Laharana faha-14 ny tenany tamin’ny hazakazaka ara-potoanan’ny tsirairay. Hiezaka mafy izy amin’ny dingana farany. Hifarana anio, ny fifaninanana amin’ny taranja bisikileta, ho an’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay tontosaina ao amin’ny Nosy rahavavy Maurice. […]






