Tafiditra ao anatin’ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Mampanao fifaninanana famoronana lahatsoratra ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Malagasy. « Ny teny malagasy, sompi-pahendrena », no lohahevitra. Mamorona lahatsoratra mitantara fohy ny niavian’ny anaran-tanàna roa na anarana olo-malaza roa na anaran-tanàna iray sy olo-malaza iray ny mpifaninana. Kajina ny tsipelina sy ny […]
Other News
MFF, andiany faha-19: handray anjara amin’ny hetsika i Sylvain Marc
Misy hatrany ny fanolorana zava-baovao ho an’ny mpanaraka ny hetsika. Anisan’izany ny fandraisan’i Sylvain Marc, izay manana ny lazany eo amin’ ny mozika sy ny horonantsary maneran-tany, anjara. Tanterahina ny 5 hatramin’ny 12 jolay 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny « Madagascourt Film Festival » (MFF) andiany faha-19. […]
FANTINA sy FINTINA
Nodimandry teo amin’ny faha-83 taonany, ny fiandohan’ny herinandro teo, Rajakoba Daniel. Tsy salama ary notsaboina tetsy amin’ny Homi izy izao lasana izao. Anisan’ny nanorina ny antoko Fihavanantsika ity pasitera ity ary efa kandidà filoham-pirenena ny taona 2001 sy ny taona 2006. Efa minisitry ny Asa, fony governemanta Ramanantsoa koa izy. […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina : « Manana adidy goavana ny ben’ny Tanàna »
Notanterahina tany Vangaindrano, ny alatsinainy teo, ny fihaonana tamin’ireo ben’ny Tanàna miisa 98 anatin’ny distrika manodidina sy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny niatrika izany ireo avy any Farafangana, Vangaindrano, Vondrozo, Midongy Atsimo ary Befotaka Atsimo, mandrafitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Notsiahivin’ny minisitra […]
Vonona hanompo
Anatin’ny fotoam-pitondrana faharoa an’ny filoha Rajoelina tanteraka isika izao. Hiditra amin’ny dingana manaraka, dia ny asa amin’izay. Azo lazaina fa efa mihodina ny lamasinina amin’ny fanatanterahana ny iraka isam-paritra izay nilokalokana tamin’ny fampielezan-kevitra. Porofon’ireny, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny delegasiona notarihiny, nizaha ny fanamboarana ilay lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo […]






