Other News

“Forum Mini-Basket” : ankizy 400 hanaraka fiofanana

Hanomboka anio, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Forum Africain Mini-Basket”. I Madagasikara no mampiantrano ity andiany faha-6 ity, izay hositrahin’ny ankizy miisa 400 manerana ny Nosy. Atrikasa fampianarana basikety ho an’ny ankizy ny “Forum Africain Mini-Basket”, izay ahitana fampiofanana isan-karazany. Mpanazatra 70 avy amin’ny firenena afrikanina 15 ihany koa […]

Tombola Miara-manorina mba haharitra : lasan’i Bruno mpanjifa avy eto Antananarivo ny loka lehibe

Ho fanomezan-danja ny akora vokariny, nampanao fifaninanana « Tombola » ho an’ireo mpanjifany ny orinasa Alpha ciment. Norombahin-dRafaralahindrianiaina Bruno avy eto Antananarivo ny loka goavana. Natao ny alarobia 10 jolay lasa teo, tetsy Tsaralalàna, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpanjifa nahazo tamin’ny «Tombo­la Miara-manorina mba haharitra», nokarakarain’ny orinasa Alpha […]

VAOVAO TAMBATRA

Hiara-hiasa ny APMF sy ny polisim-pirenena amin’ny fanotana « Pièce d’identité de Marin » (PIM) ho an’ireo tantsambo malagasy. Mahatratra 11 000 ireo tantsambo teratany malagasy ary miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa ny 5 000 amin’ireo. Hanamafy ny fitokisan’ireo mpampiasa, ny mpampitao sy ny tompon-tsambo, ny fitokisan’ireo firenena hafa ny tantsambo malagasy mandalo […]

Fitsinjovana ny mpanjifa : azo aloa tsikelikely ny entana

Lafo ny vidim-piainana, ankehitriny. Izany no nahatonga ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Accès banque sy ny tranombarotra Taïwan motor, hitsinjovana ny mpanjifa. Azo aloa tsikelikely ao anatin’ny 24 volana ny vidin’ny moto. Tolotra manan-kery nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana jolay teo. Nambaran’ny tomponanandraikitry ny Taïwan motor, Tsifaniaina Henintsoa, fa afaka misitraka […]